Jacques RANDRIANASOLO manome baiko ny fitsarana hitandrina tamin’ny raharaha Kidnapping – DON DRESAKA DU 07 AVRIL 2019 BY TV PLUS MADAGASCAR
Betsaka moa ny resaka momba ireny magistrat ireny. Izaho efa vao nandray ny asako dia efa niteny hoe io tsy hanavahako an’izan’iza fa na havako na havanao rehefavalan dia kaly. Izy ireny izany efa nomeny teny hoe ireo mpanao kidnapping io surtout ilay Haja io tsy azo avoaboaka fa io no cerveau-ny mpanao kidnapping eto Madagasikara. Ary isika rehetra ngambany nahatsapa fa hatraminy nidirany am-ponja dia ohatrany tsy misy intsony ny kidnapping. Dia zoma sy sabotsy aho tany Toamasina, Praiminisitra alatsinainy, dia samy namatrapatratra izay: tandremo, dia Talata dia navoakany ilay izy. Fivazanana no fiheveranay izany ary rehefa nandalindalina moa izahay dia ohatrany misy ambadika kolikoly ilay izy. Dia normal be ilay izy raha nahantona, manana fahefana hanao izany ny Minisitra ary araka ny andininy faha 60 ao amin’ny Statut de la magistrature moa ary hisy enquête efa misokatra momba an’izany ia hita eo ihany ny tohiny. Zon’ny ny manohitra raha te hanohitra izy fa ny ministeran’ny fitsarana tsy milefitra mihitsy amin’ny zavatra ohatran’izany.
Ankoatran’ny raharaha momba ny fankana ankeriny an’i Armam Kamis tao Toamasina, efa voaroiroy tamin’ny fakana ankeriny iray tao Antsirabe ihany hoe i Hajanirina Dina Manantena. Efa hivoaka ihany koa ny didy fampissamborana indray ity candida lisitra faharoa hilatsaka hofidiana solombavambahoaka amin’ny alalan’ny tsy miankina ity ao Ifanadiana hoy ny loharanombaovao iray.
Lesona lehibe amin’ny fonctionnaire ny nanagadrana fonctionnaire milaza fa nandray baiko fotsiny – Clément Jaona Filoha SMM – Don dresaka – TV plus du 7 avril 2019
Clément Jaona – Magistrat – Président du syndicat des magistrats de Madagascar
Lesona lehibe ho any fonctionnaire, indrindra ny fonctionnaire madinidinika ety ambany. Satria zareo milaza hoe nanatanteraka baiko, mizara roa ny baiko tanterahinay, raha ohatra ka baiko tsy ara-dalana na hoe ordre manifestement illégal dia ny mpanatanteraka baiko ihany no iharan’izay sazy izay. Sanatria ny vava hoe : vonoy io olo io, ianao izao mahafantatra fa ny famonoana olo tsy azo atao, ordre manifestement illégal. Dia fanaraka ny ordre légal, raha ohatra indray hitanao fa ara-dalana sy araka ny note de service rehetra rehetra ny baiko nomena anao ka tsy manatenteraka amin’izay ianao, mifototra aminao tsy manatanteraka indray izy. Ka ho an’ny fonctionnaire izay mpila ranondranony te ho tsara tarehy eo anatrehan’ny lehibeny manombok’izao izany tokony hitandrina amin’izay, ary handa mihitsy ary rehefa ohatra ka tsy mety ilay baiko. Satria ho andry zareo mpiasan’ny domaine no tena problème izao hitako amin’izy ireo, saika abus de fontion no notorian’olona an’izy ireo. Inona moa no fisehon’ny abus de fonction, misy olona mangataka tany, kely tsy ho 10 taona, 25 taona tsy mety azo ilay tany. Avy ato afara misy olona iray mangataka, tsy ampy roa volana dia azo ilay tany. Amin’izay fotoana izay, ilay mpiasan’ny domaine torian’olona pour abus de fonction. Ilay olona nahazo titre pour corruption active, tonga dia miara-dobo ireny olo ireny. Ary ny fandehan’izy io raha isika no mahita, fivarotana tanim-panjakana izao no tena problème. Fivarotana tanim-panjakana zaridaina, izany espace vert izany domaine public, tsy azo amidy, inalienable. Tsy azo ekena mihitsy izany hoe olona ambony na inspecteur de domaine, tsy ahafantatra hoe manahoana moa ny fomba hivarotana domaine public. Ohatrany cas villa Elisabeth, mandeha koa izy io, même date amin’ny villa Elisabeth, satria tao ny asako taloha, tamin’ny poste. Io garage-ny poste amin’izao fotoana izao sy i Artec Omert taloha, même date samy 24 Janvier 2014 no nivarotana an’ireo. Tsy azo ekena mihitsy, ny fieritreretako azy, ny inspecteur de domaine tsy ahafantatra hoe misy acte de désaffectation ve? arrêté de désaffectation, izany hoe nialan’ny fanjakana tanteraka ve io faritra satria ity izany ni-affecter-na aloha, nisy arrêté ni-affecter azy ho an’ny ministera anankiray. Dia avy eo tsy mintsy misy acte de désaffectation arrêté koa ny manala an’ilay fahefana ao amin’ilay tany. Raha ohatra tsisy an’izay dia lasa mety ho cisconstance aggravante io ho an’ilay olona. Manaonao foana izany, hoe raha ohatra ka manatanteraka baiko. Tamin’ny alarobia aho nahita na ny problèmen-dRavalomanana teny amin’ny Express. Ahoana moa ny olona nanao an’ireny tereny titré-borné amin’ny olona, tsy par décision de justice ny nanaovana azy, na hoe ex-pro-pression pour cause d’utilité public nefa tonga dia omena olona fotsiny izay. Izany ve dia mbola ho tolerer-na ny zavatra ohatran’izany, fa grave loatra raha ohatran’izany. Manaraka izay dia izao an, mikasika an’io fitakiana sendikaly io, dia izao manko ny problème antsika eto, izay olona mpitaky zavatra eto Madagasikara tsy mba heverina ho citoyen, olom-pirenena fa rebelle.
RANDRIANASOLO Jacques affirme qu’il y a un relent de corruption sur la libération par les magistrats du présumé cerveau des kidnappings TV PLUS 3 avril 2019
Fampiatoana mpitsara dimy tao Toamasina izay nanome hafahafana vonjy maika olona iray voaroiroy amina raharaha fankana an-keriny teratany vahiny, nambaran’ny Minisitry ny Fitsarana omaly fa natao ho an’ny rehetra ny lalàna.
Mazava ny nambaran’ny Minisitry ny Fitsarana omaly taorian’ny fanamarinana ny 60 taonan’ny mpandraharaha ny fonja notontosaina teny amin’ny Ekar Faravohitra. Raha nanontanian’ny mpanao gazety ny tenany momba ny antony nampiatoana ireo mpitsara dimy tao Toamasina ny fiafaran’ny volana Martsa lasa teo. Nambarany tamin’izany fa toy ny mpiasam-panjakana rehetra ny mpitsara, izay tsy manaraka ny lalàna sy ny fitsipi-pifehezana iharan’ny sazy na iza io na iza. Nohamafisiny ihany koa fa ao anatin’ny fanatenterahana ny vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fanadiovana ny Fitsarana eto Madagasikara. Efa miroso amin’izany ny ministera tarihiny amin’izao fotoana izao. Isan’ny amin’izany izao fandraisana fepetra tamin’ireo mpitsara dimy tao Toamasina izao. Nanambara ihany koa ny Minisitra tamin’ity didy navoakan’ireo mpitsara ity izay nanome fahafahana vonjy maika an’i Manantena Hajanirina Dina, fa mamofompofona kolikoly ny didy mivoaka. Olona izay efa fantatra fa lehibe-na tambazotra mpaka ankeriny ny teratany vahiny mbola nahazo fahafahana vonjy maika. Notsipihin’ny Minisitra ihany koa fa efa nisy ny fanadihadihana sy ny famotorana mialohan’ny nandraisana fanapahan-kevitra nampiato ireo mpitsara dimy. Raha ny fantatra hatrany, eo ampiandrasana ny fanapahan-kevitra horaisin’ny filan-kevitra ambon’ny mpitsara ny tohin’ny raharaha ho an’ireo mpitsara dimy nampiatoana
Suspension des quatre magistrats de Toamasina – Vers une bataille juridico-judiciaire entre magistrats puisque les loups ne se mangent pas entre eux – Midi Madagasikara du 5 avril 2019
Les 4 magistrats de la Cour d’Appel de Toamasina, suspendus de leurs fonctions, ont fait part de leur intention d’introduire un recours en sursis à exécution et en annulation de la décision les concernant auprès du Conseil d’Etat.
Une source proche du Conseil d’Etat de faire savoir hier qu’ « aucune requête des 4 magistrats en question n’a été déposée jusqu’ici ». En tout cas, le délai de 48 heures après la notification de la décision de suspension ne leur est pas opposable. Ils peuvent invoquer l’article 129 du Code de Procédure civile qui accorde un délai de 30 jours pour les requérants en poste dans les provinces. Les futurs requérants ont donc largement le temps de préparer leur mémoire en défense qui repose entre autres, sur l’existence d’un vice de forme, dans la mesure où l’acte n’aurait pas été signé par le ministre de la Justice en personne, mais qu’il y a eu juste ampliation par le Secrétaire général du ministère.
Conseil de discipline. Par ailleurs, la décision de suspension aurait dû être entérinée par le Conseil Supérieur de la Magistrature siégeant en Conseil de discipline dans des faits de nature à entraîner des poursuites disciplinaires contre un magistrat. Dans le cas d’espèce, ils sont quatre et pas n’importe lesquels dans la mesure où ils sont tous issus du « Fitsarana Ambony » tel qu’on le qualifie dans la hiérarchie judiciaire, même s’il y a encore au-dessus, le « Fitsarana Tampony » ou Cour Suprême à laquelle appartient justement le Conseil d’Etat.
Jurisprudence. C’est dire qu’on s’achemine vers une bataille juridico-judiciaire entre le quatuor de la Cour d’Appel de Toamasina et l’Etat malagasy à travers le ministère de la Justice. Et ce, devant le Conseil d’Etat qui est concerné à plus d’un titre pour ne pas dire juge et partie : Primo, comme son nom l’indique, il joue le rôle de conseiller de l’Etat, quand bien même ce dernier l’aurait rarement sollicité, quel que soit le régime en place. Secundo, ce sont des magistrats (administratifs) qui vont trancher une affaire impliquant des magistrats (judiciaires) suspendus par un ministre magistrat issu du même ordre. Ce qui amène le justiciable lambda à penser à tort ou à raison au proverbe qui dit que « les loups ne se mangent pas entre eux ». En tout cas, nonobstant tout corporatisme, ils vont se battre à coups de textes et d’articles car chaque partie soutient être dans son bon droit. Quoique les faits soient totalement différents, force est de se demander si l’affaire Fanirisoa Ernaivo fera jurisprudence au niveau du Conseil d’Etat qui avait jeté son recours en sursis à exécution de la décision la suspendant de ses fonctions de magistrat.
Tsikombakomba sy kolikoly avo lenta : Mbola mirioriosy mangatsiatsiaka any ny maro – La gazette DGI du 4 avril 2019
Azo ambara fa efa amperin’asa tanteraka ny fitondram-panjakana ankehitriny na dia mbola misy antokon-draharaha (direction) tokony hovaina aza ny tompon’andraikitra ao aminy any anivon’ny ministera isan-tsokajiny any. Tsy tokony hahasakana ny firosoana manatanteraka ny fanarenana anefa izany satria izay tompon’andraikitra tsy mbola nosoloina dia azo omena baiko hanatanteraka izay pôlitika tian’ny fitondrana foibe hotontosaina tsara.
Isan’ny lokaloka nifamatorana teny amin’ny Kianjan’ny 13 May nandritra ny tolon’ny Depiote 73 tamin’ny taon-dasa, ary nahavoasarika ny risi-pon’ny mpiasam-panjakana tamin’ny ankapobeny, ary isan’izany ireo sendika isan-tsokony, ny hanaovana fanadihadiana (audit) any anivon’ny ministera rehetra tany. Fanetriben’ny firenena teto mantsy ny fanararaotana sy ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny tompon’andraikitra isan-tsehatra nandritra ny fitondrana teo aloha ka fepetra iray nandrasan’ny maro, ary nampanantenaina fa hatao tokoa moa, io fanadihadiana na “audit” io.
Raha vao tafakatra teo amin’ny fahefana ny mpitondra ankehitriny dia ny fanendrena ny “akama” no nahadodona azy rehetra fa toa tsy misy mieritreritra an’izay fanadihadiana hoenti-mifampifehy ho amin’ny ho avy sy mba ho aro-fanin’ny rehetra tsy hanararaotra sy tsy hampanjaka intsony ny gaboraraka.
Tsy tokony hadinoina fa raha nisy fandikan-dalàna vitan’ireny tompon’andraikitra teo aloha ireny dia misy lalàna tsy azo ampandeferina ampiharina amin’izy ireny. Amin’izao fotoana anefa dia maro tamin’ny tompon’andraikitra teo aloha no efa lasa nitsoaka nandositra any am-pitan’ny ranomasina satria mahafantatra ny nataony tao anatin’ny fitondrana ry zareo ka tsy hanaiky horaisim-potsiny. Ireo tsy lasa nitsoaka indray dia misy no nihazakazaka nirotsaka hofidiana depiote. Toa tsy misy arakaraka fa mangatsiatsiaka sy mandany ny azo fotsiny, ary toa manana antoka fa tsy hisy hanana fahasahiana hikitikitika azy satria “efa tsara mpiaro” any ho any. Vitsy ireo tompon’andraikitra mba nanaja ny fahamarinana sy ny lalàna.
Izany kolikoly avo lenta tamin’ny tolotr’asam-panjakana (marché public) izany moa dia aoka fotsiny fa izay nahazo vahana rehetra tamin’izany dia mpanefoefo mpanontany ny ory avokoa amin’izao fotoana. Tranobe valo zoro (villa) miezinezina amin’ny faritra vitsivitsy eto amin’ny Nosy. Misy ny nahatsangana trano fandraisam-bahiny goavana hatrany Mahajanga any. Ny fiarakodia lafo vidy sy raitra moa dia tsy miafina fa ireharehan-dry zareo.
Tokony tsy hadinoina fa tsy Rtoa Razaimamonjy Claudine ihany no nanao ny nataony tamin’ny fitondrana nifandimby rehetra teo aloha fa misy maromaro ry zareo. Isan’izany koa ny tompon’ny vondrom-barotra mpiantoka asa vaventy (Entreprise) Andriamihary.
Raha afaka mampanao fanadihadiana momba azy io ny Bianco dia azo antoka fa hiharihary toy ny kary an’efitra ny tsikombakomba maloto rehetra sy ny endrika kolikoly avo lenta nifamatoran-dreo ao. Ho hitam-poko hitam-pirenena eo koa ireo tompon’andraiki-panjakana ambony teo aloha izay nitsikombakomba maloto tamin-dry zareo. Voalohany tamin’izany ny tao anivon’ny ministeran’ny Asa vaventy tao, indrindra fa ny fanaovan-dalana.
Mampanahy ihany anefa ny tena hisian’ny fanadihadiana matotra amin’ny raharaha toa izany satria fantatry ny fiaraha-monina fa misy fifamatorana matotra “hafahafa” koa amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ireny tsikombakomba maloto sy kolikoly avo lenta ireny amin’ny vadin’olona ambony ao amin’ny Bianco ao, ka mampiahiahy mahakely finoana e!
Na izany na tsy izany, avoaka an-gazety ihany ny raharaha mba hanaitra ny rehetra ka ny antenaina dia mba tsy hilaozan’izay olon’Andriamanitra tena tia tanindrazana hikatsaka ny tena mahasoa an’ity firenena ity ao anatin’ny rafi-panjakana ankapobeny ao fa tsy hiray petsapetsa sy hitsikombakomba amin’ny ratsy avokoa.
Rainisoa
Tsy ampy ny fanagadrana any Eddy sy Mbola ary Hasimpirenena satria tsy izy ireo ihany no fantatra fa isan’ireo voarohirohy amin’ny halatra sy nanodinkodina volam-bahoaka sy harena teto – La gazette DGI du 4 avril 2019
Niandrandra fandrosoana haingana ny Malagasy ary maika dia maika tamin’izany. Ny antoko pôlitika najoro koa nanaovana tokam-barotra hoe Tgv (Train à grande vitesse) no dikanyiraisam-pirenena izay nohagasiana hoe : “Tanora malagasy vonona”.
Raha ny resaka tamin’ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena izay dia toa ny lamasinina haingam-pandeha voalaza etsy ambony io, izay tsy mbola misy akory eto Madagasikara fa any amin’ny firenena mandroso no ahitana azy ka mahatratra hatrany amin’ny 200km/h ny hafangainam-pandehany. Dia izany no natao filamatra ka nambaboana ny saina sy ny fon’ny Malagasy fa indrindra ny tanora.
Dia roboka tokoa ny Malagasy tsy afa-nandinika loatra ka nihazakazaka namonjy ilay fiara be mandefa sinema eny ankalamanjana manerana ny renivohi-paritra rehetra. Ny fizarana ankanjo sy ny lambahoany ary ny elo dia nodakana fotsiny fa na ny olona tsy hifidy aza dia nasaina nanao ireo fanamiana ireo. Tsy tenenina intsony ny mpanakanto izay nokaramaina volabe isan-karazany ka rehefa tonga ny fotoana nanaovana ny fampielezan-kevitra dia vahoaka sesehena izay tsy izy no tonga nihazakazaka namaly ny antso. Tsy ny teo an-tanàna nihaonana ihany fa hatrany amin’ny toerana lavitra ny fampisehoana, izay mihoatra ny distrika nihaviana no tonga nanatrika ny fety.
Noharatsiana avokoa ny mpifaninana rehetra fa tsy misy mahavita azy fa ny TGV sy ny Mapar no tena dadany. Ny kobaka am-bava koa tsy hay velively ny milaza azy fa tena nampisy fanantenana ho an’izay tsy mahalala. Hatramin’ny ankizy madinika vao miana-miteny aza dia mihira ilay hira filamatra ny TGV sy Andry Rajoelina iny avokoa.
Raha toa aza ka somary manambara hevitra nanohitra izany tamin’ireny fotoana ireny fa tsy izy io fa be lazao fotsiny dia ady ka nisy hatramin’ny fampitandremana mihitsy no azo.
Nankalazana fa nahavita azy satria kandidà tanora sy manam-pahaizana ary manam-bola ingahy Andry Nirina Rajoelina.Tena marina tokoa izany satria mpandraharaha tamin’ny resaka dokambarotra na “publicité” ny tenany. Iza tokoa moa no tsy nahalalala ny orinasa “Injet”, izay voalazany fa vokatra ny fandraisany an-tanana ny orina “Doma pub” izay niandraikitra ireo takela-by lehibe teto Antananarivo teo aloha.
Fa na izany aza dia isan’ny nampisongadina azy koa ny fotoanan’ny Tetezamita iny. Firy moa no mpanan-karena vaovao tamin’iny fotoana iny? Ireo mpanan-karena tampoka tamin’iny fotoana iny no mifehy ity firenena ity ankehitriny. Tsy mbola nisy teto amin’ity firenena ity filoham-pirenena afaka nahavita foto-drafitrasa lehibe toa ny hôpitaly manara-penitra maro, ny kianjan’ny Maki, ny kianja ny mpanakanto eny Analamahitsy, nefa tsy nahazo fanampiana tany amin’ny vondrona iraisam-pirenena raha tsy ingahy Andry Nirina Rajoelina. Tena marina izany ary niaraha-nahita teto.
Izany no sary nipetraka tao amin’ny mpomba an’ingahy Andry Nirina Rajoelina ka nahatonga ny olona tany amin’ny faritra nihazakazaka nanohana azy. Marihina fa tsy lany teto Antananarivo na Analamanga izy. Antananarivo izay efa manana fomba fijery hafa noho ny any amin’ny faritany rehetra.
Noharatsiana avokoa ny filoham-pirenena rehetra nitondra teto Madagasikara hatramin’izay satria hono tsy nahavita zavatra noho izy ireo. Na tamin’ny fankalazana ny faha 72 ny tolon’ny MDRM tamin’ny 29 martsa 2019 lasa teo aza dia mbola nilaza ingahy Andry Rajoelina fa manomboka izao dia handroso i Madagasikara fa tsy toa ny 59 taona lasa izay.
Ankehitriny nefa dia maro no diso fanantenana amin’ny kabary natao sy ny fanindrahindrana ny IEM (Initiative pour l’émergence de Madagascar). Tsy hita izay taratra ny fiovana eto amin’ny firenena. Ny mahantra toa voa mainka mitombo, ny fiainana tsy hita izay fiovany, ny asan-dahalo sy ny tsy fandriam-pahalemana tsy misy fitsaharany ary mivadika hatrany amin’ny fanaovana takalonaina ny any ambanivohitra indray aza izany na “kidnapping”. Tsy mbola ahitana taratra na fandrosoana aloha hatramin’izao eto Madagasikara. Raha toa ka ny fanagadrana an’i Eddy, Mbola Rajaonah, Hasimpirenena no isan’ny zava-dehibe teto amin’ny firenena dia tsy ampy izany satria tsy izy ireo ihany no fantatra fa isan’ireo voarohirohy amin’ny halatra sy nanodinkodina volam-bahoaka sy harena teto. Tokony hotohizana izay rehetra tafiditra amin’ireny raharaha ireny na ny mitovy amin’izany satria fantatra fa ny tena atidohan’izy ireo sy ny lehibe dia mbola miriaria sy isan’ny mbola mitondra fanjakana amin’izao fotoana izao aza.
Iza moa no tsy nahalala fa efa nahazo vahana ny kolikoly avo lenta teto amin’ity firenena ity? Bois des roses, volam-panjakana, fananam-panjakana, vatosoa sy volamena, hosoka maro isan-karazany no nataon’ireo mpitondra nifandimby sy ny mpomba azy ireny na manao pôlitika na koa mpanao bizina fotsiny izao.
Mbola tsy hita ny mampiavaka ny fanjakana tarihin’i Andry Rajoelina sy ny fanjakan’i Hery Rajoanarimampianina aloha hatramin’izao. Dia mbola Rakotozafy ihany aloha no Alexis raha ny zava-misy eto Madagasikara no asian-teny.
Mbola miankina amin’ny mpamatsy vola ivelany toa ny FMI ihany Rajoelina toa ireo mpitondra nodimbiasiny teo aloha ihany. Inona ilay fiovana e!
Jesy Rabelaolao
Tsy zakan’ny mpitantana ny Jirama ny ady atao amin’ny gaboraraka sy halatra isan-karazany, efa nahatratra mpangalatra 41 ny Pro-GSI- 24H Mada FB du 4 avril 2019
Namaly ny DG Jirama ny DG Pro Gsi : Aoka izay ny gaboraraka atao amin’ny orinasam-panjakana Jirama
Saika raikitra ny sakoroka teo anoloan’ny vavahadiben’ny Jirama Bazar Be Tamatave io maraina io( jeudi). Nikiry hiditra hiasa tao ilay orinasam-piambenana antsoina hoe ONG Fihavanana izay voalaza fa nomen’ny Tale Jeneralin’ny JIrama alalana hiambina ny Jirama misolo ny orinasam-piambenana Pro Gsi. Efa nihatrana teo ihany koa anefa ireo agent de sécurité Pro Gsi notarihin’ny Tale jeneraliny, Rakotoninahy Josephat. Ity farany izay niantso mpitandro filaminana manoloana ilay fihetsika lazainy fa manao an-keriny ataon’ny ONG Fihavanana. Nambaran’ny DG orinasam-piambenana Pro Gsi fa tsy manara-dalàna ny fomba fampidirana io Ong Fihavanana io hisolo azy ireo. Misy convention vita sonia mazava tsara nahafahanay nanao ny asa niambina ny orinasa Jirama, hoy izy. Convention, nifanaovana tamin’ny ministera. Convention tsy lany daty. Tonga anefa androany, dia tsy misy taratasy convention entin’ireto milaza fa hisolo anay ireto fa tonga dia miditra “degany”. Nahitsy ny DG Pro Gsi nilaza fa ny DG Jirama ankehitriny no maniraka ireo olona ireo. Hajao ny lalàna. Aoka izay ny gaboraraka. Niezaka izahay Pro Gis nisambotra ireo mpiasan’ny Jirama nangalatra solika sy fitaovana. Nahatratra 41 ireo voasambotray saingy nataon’ny Jirama ny fomba rehetra nanakonakonana ireo mpanao ratsy.
Tsy zakan’ny mpitantana ny Jirama ny ady atao amin’ny gaboraraka sy halatra isan-karazany ka atao ny fomba rehetra anesorana anay amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Te hamerina ny gaborabaraka ny DG Jirama. Ampy izay ny akamakama, hoy hatrany ny fanazavany.
Ankoatra ny olana amin’ny tolotra tsy mahafa-po ny mpanjifa, jiro tapatapaka, rano mivadika mena, fidangan’ny vidin-jiro tsy mazava, …dia olana vaovao atrehin’ny Jirama Toamasina amin’izao fotoana ity fampidirana orinasam-piambenana vaovao izay hitrikitrihin’ny Tale Jenerain’ny Pro Gsi fa endrika isiana kolikoly sy fikasana amerina ny gaboraraka. Izy izay nampiseho ireo taratasy sy fifanarahana ary fahazoan-dalana ahafahan’ny Pro Gis miambina ny Jirama.
Vantany nahita ireo mpitandro filaminana tonga ireo mpiambina lazaina fa hisolo ny Pro Gsi dia niala avy hatrany teo amin’ny vavahadiben’ny Jirama Bazar Be.
Ho hita eo ny ho tohiny.
Vaovao Mickaelys Kamy Ndiamahazo

Kidnapping Tsaratanàna – Manahy ny vadin’ny maty sao havotsotra ilay kandidà – Midi madagasikara du 4 avril 2019
Nisafidy ny hiteny amin’izay ny vadin’ilay kandidà ho depiote ao Tsaratanàna izay maty novonoin’ny mpaka an-keriny. « Tsiahiviko fa efa nandoa vola 20 tapitrisa ariary, araka ny fitakian’ireo olon-dratsy kanefa dia mbola notifirina ho faty ihany vadiko. Ankehitriny koa dia mandeha be ny feo fa misy mikasa ny hamotsotra ilay kandidà izay voarohirohy ho atidoha nikotrika ny fakàna an-keriny ny vadiko ka niafara tamin’ny famonoana ho faty azy », araka ny filazan’ny vadin’ny maty, Ramatoa Miora Andriamaholy. Aminy dia antony ara-pôlitika kokoa no nitranga fa tsy fakàna an-keriny tsotra. Raha io farany io mantsy no tena tanjona dia navotsotra ilay olona rehefa naloa ny vola fa tsy novonoina. « Niady toerana mba ho kandidà hatolotry ny antoko no fijeriko azy », hoy hatrany ny fanazavan’ny vadin’ny maty. Raha tsiahivina dia olona fito amin’izao fotoana no efa nidoboka am-ponja ao Mahajanga. Ny tena porofo mitohoka amin’ny tenda dia ny nahitàna ny finday sy ny « puce téléphonique » teny amin’ny dahalo iray izay matin’ny FIGN nandritra ny savahao tany anaty ala. Io no nahafahana nisambotra ireo mpiray tsikombakomba hafa ary hatreto dia ilay kandidà mpifaninana tamin’ny maty no voatazona ho tao ambadiky ny rehetra. Mialokaloka amin’ny fizakany zom-pirenena roa (double nationalité) ilay olona ary eo indrindra ny feo mandeha ankehitriny – izay tonga eny am-pototsofin’ny fianakavian’ny maty – ny amin’ny mety ho fisian’ny masoivoho vahiny miaro azy. Ity angamba ny fifidianana nialohavan’ny heloka bevava betsaka indrindra. Nisy ny kandidà maty, nisy koa ny kandidà voarohirohy tamin’ny fakàna an-keriny sy vonoan’olona ary nidoboka am-ponja. Tsy vitan’izay fa mbola nisy koa ny kandidà efa nidoboka am-ponja, kanefa nomena fahafahana vonjimaika indray dia afaka nanohy ny firotsahany. Momba io tranga farany io dia niteraka ny fampitsaharana tamin’ny asany ny mpitsara efatra izay namoaka ny didy fahafahana vonjimaika izany. Amin’ireo tranga rehetra ireo dia tsy nisy sakana mihitsy ny dosie izay napetraka eny anivon’ny komisiona misahana ny fifidianana na koa ny fitsaràna miandraikitra izany, ary dia nekena avokoa hatreto ny filatsahan-kofidiana…
D.R