Famotsorana mpaka an-keriny tao Toamasina – Milaza handray fepetra ny minisiteran’ny fitsarana – Ao raha 28 mars 2019

Araka ny loharanom-baovao iray dia tsy mitazam-potsiny ny raharaha fakàna an-keriny tany Toamasina, izay nahavoarohirohy lehilahy iray ka nahazoan’ity farany fahafahana vonjimaika tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. “Mbola tsy eto an-toerana ny minisitra fa rehefa tonga izy dia azo antoka ny hisian’ny fepetra horaisina satria tafiditra ao anatin’ny politikan’ny minisitera mihitsy ny ady atao amin’ny fakàna an-keriny”, hoy io loharanom-baovao io. Tsy mbola fantatra,  noho izany, ny momba izany fepetra izany. Niteraka resabe ny fanomezana fahafahana vonjimaika lehilahy iray voalaza fa atidohan’ny fakàna an-keriny Karàna iray tany Toamasina, tra-tehaka tamin’ny volana desambra 2018. Na ireo mpitandro filaminana nisambotra ireo andian­ jiolahy mahery vaika izay nahatrarana basy sy baia ireo na ny mpitsara izay nandray andraikitra nikely fofotra tamin’ny fikarohana ireo jiolahy dia samy tankina avokoa rehefa naheno ny fahafahan’ilay voalaza fa atidohan’ ny mpaka an-keriny. R.F

Raharaha kidnapping tao Toamasina – Mpitsara ambony dimy naato amin’ny asany – Taratra du 28 mars 2019

Mpitsara dimy mianadahy, ao amin’ny Fitsarana ambony (Cours d’appel) ao Toamasina, no fantatra fa naato amin’ny asany, araka ny fanapahana navoakan’ny minisiteran’ny Fitsarana, omaly. Taorian’ny fanomezana fahafahana vonjimaika (LP) an’i Manantena Hajanirina Dina izany, voarohirohy tamina raharaha fakana an-keriny, tany Toamasina.   Nivoatra haingana ny raharaha momba ny fanomezana fahafahana vonjimaika (LP) an’i Manantena Hajanirina Dina, ilay voarohirohy amina raharaha fakana an-keriny an’i Arman Kamis, mpandraharaha tompon’ny orinasa Trans Fy ao Toamasina. Fakana an-keriny nalaza sy nahoraka tao Toamasina, ny volana novambra 2018 teo. Fantatra, omaly, fa mpitsara miisa dimy mianadahy ka mpampanoa lalàna ambony ao amin’ny sampam-pitsarana ambony Toamasina (cours d’appel) ny roa vavy amin’ireo no indray naaton’ny minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny asany. Raha nanontanian’ny mpanao gazety, nanana ny nambarany ireto mpitsara ambony ao amin’ny rantsam-piampangana  ambony “chambre d’accusation” ireto ary nilaza fa nitsara ny raharaha araka ny lalàna sy ny fanajana ny zon’olombelona araka ny fangatahana fahafahana vonjimaika ataon’ny olona iray ka izany ny antony nanomezana fahafahana vonjimaika an’i Hajanirina Dina. Nohamafisin’ireto mpitsara ao amin’ny rantsam-piampangana ambony ireto hatrany fa nandritra ny raharaha fakana an-keriny tany Toamasina, tany Antsirabe i Hajanirina Dina ary tsy tratra ambodiomby izy ary nisy vavolombelona izany. Nametraka ahiahy momba an’i Dina, noho izany, ireto mpitsara eo anivon’ny rantsam-piampangana ambony ireto. Nambaran’ireo mpitsara fa hoe tsy nisy ny tsindry fa araka ny lalàna ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo.   Tsy nahafantatra ny fampiatoana azy…   Misy amin’ireto mpitsara ireto aza no tsy nahafantatra akory ny fampiatoana azy tamin’ny asa raha tsy tonga hamonjy fotoam-pitsarana, omaly. Voalaza fa mbola fampiatoana am-bava fotsiny fa tsy an-taratasy ny fampiatoana azy ireo. Tetsy ankilany kosa anefa, raha ny loharanom-baovao hafa voaray, nisy ihany ny tsindry nahazo ireo mpitsara momba ity raharaha ity. Nifanindran-dalana indrindra tamin’ny fotoana nandalovan’ny praiminisitra tao Toamasina ity fanomezana fahafahana vonjimaika ity. Nisy ny fivoriana niarahan’ny praiminisitra sy ny OMC tao amin’ny lapan’ny Faritany izay nifantoka manokana tamin’ny fandinihana ny raharaha fakana an-keriny, ny fanafihana mitam-piadiana ary ny halatra lavanila. Nohamafisin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta tamin’io fotoana io fa ezahina ny hanafoanana ny tsy fandriampahalemana miseholany any an-toerana. Tsy ekena ny fanomezana fahafahana vonjimaika mifandraika amin’ireo heloka telo voalaza teo (fakana an-keriny, ny fanafihana mitam-piadiana ary ny halatra lavanila), araka ny nambarany tao amin’ny fivoriana. Manoloana izao raharaha izao, haverina am-ponja indray izany i Hajanirina Dina? Sajo sy J.C

Suspension des cinq magistrats qui ont accordé la liberté provisoire au présumé tête pensante des kidnapping à Toamasina – Les nouvelles du 28 mars 2019

La décision du ministère de la Justice ne s’est pas fait attendre. Trois jours après la libération de Hajanirina Dina Manantena, le ministère a suspendu, hier, cinq magistrats de la Cour d’appel de Toamasina.

Selon l’un des concernés, ils n’ont été notifiés de cette décision qu’à leur arrivée sur leur lieu de travail. «On nous a seulement informés verbalement dans la matinée», a-t-il expliqué. «Je tiens à préciser que la décision d’accorder une liberté provisoire (LP) à Hajanirina Dina Manantena a été faite conformément à la loi. Le suspect n’a pas été pris en flagrant délit», a-t-il ajouté sans donner d’autres précisions.

Candidat à la députation, le principal suspect a bénéficié d’une LP lundi. Sans attendre, il a quitté Toamasina pour rejoindre immédiatement Antsirabe.

Évacuation sanitaire et téléphone en prison

Toujours dans le domaine du kidnapping, des sources convergentes ont affirmé que Bruno et Roméo, les deux suspects arrêtés en août 2018 à Anosivavaka avec des armes de guerre, s’apprêtent à quitter la maison de force de Tsiafahy par le biais d’une évacuation sanitaire. Se voulant rassurant, le Directeur de la Maison de force, Vonjy Stephenson Zafilahy, a indiqué qu’il ne s’agit que d’une spéculation.

«Bénéficier d’une évacuation sanitaire, c’est toute une procédure. S’il s’agit d’un condamné dont l’état de santé nécessite vraiment une hospitalisation, c’est à moi que revient la décision de l’accorder ou non, sur proposition du médecin-chef. Pour le cas d’un prévenu, il faut faire une demande d’avis au magistrat en charge du dossier. On peut envoyer le détenu à l’hôpital si le magistrat donne un avis favorable», a-t-il indiqué.

Par ailleurs, les sources ont également informé que deux détenues, incarcérées dans le quartier pour femmes à Antanimora, toujours dans le cadre de rapt de ressortissants indiens, utilisent des téléphones portables. Une allégation formellement démentie par un responsable au sein du ministère de la Justice.

«Aucun détenu ne peut bénéficier d’un tel privilège. D’ailleurs, il est pratiquement impossible d’introduire un téléphone portable en prison», a souligné le responsable, avant de conclure que les responsables d’un établissement pénitentiaire effectuent une fouille inopinée des chambres des détenus et si jamais le cas se présente, on confisque l’appareil.

Mparany

Corruption – Les greffiers des tribunaux également pointés du doigt ? Lagazette DGI du 28 mars 2019

Nombreux sont les services de l’Etat qui sont gangrenés par la corruption à Madagascar.  Des organismes internationaux ont déjà cité divers services comme le service des domaines, les services de maintien de l’ordre comme la police nationale et la gendarmerie, mais aussi le service de la justice comme présentant le plus de forme de corruption. Pour cette dernière, les accusations se sont surtout dirigées contre les magistrats appelés à trancher sur un litige. Mais selon certains justiciables, ce ne sont pas uniquement des magistrats qui sont trempés dans des affaires de corruption au niveau de la justice. D’autres corps de fonctionnaires se rendent aussi complice de cette infraction. En effet, selon encore les informations, certains greffiers ne veulent pas se suffire à ce qu’ils perçoivent à la fin du mois. Des usagers de la justice se plaignent en raison des comportements de certains d’entre eux. Rien que pour consulter le plumitif, des greffiers se montrent particulièrement désagréables. En outre, lorsque quelqu’un leur demande un service lié à leur fonction, certains font tout pour le compliquer. En réalité, de tels comportements venant de ces greffiers ont un but précis. Pour chaque personne qui vient les consulter, ils cherchent à être payés avant d’accomplir convenablement le service demandé. Et lorsque la personne s’obstine à ne vouloir payer que ce qu’ils doivent payer conformément aux textes, son dossier à de forte chance de traîner ou de ne jamais aboutir. Des doléances ont déjà été portées au niveau des responsables concernés pour ces faits, des greffiers ont également été sanctionnés ou objet de mesures disciplinaires. Pourtant, il semble que l’exemple est encore loin de passer si l’on s’en tient à la situation actuelle. Les responsables doivent donc prendre des mesures plus strictes pour faire cesser définitivement de telle pratique. Ranaivo

Kandidà Mapar : Mahazo laka ny mpanao “kidnapping” sy ny mpangalatra – La gazette DGI du 28 mars 2019

Tao anatin’ny iray volana mahery teo ho eo izay dia nilaza matetika teto amin’ity gazety ity izahay fa feno olona mpangalatra, mpanodinkodina harem-pirenena, ary olona maloto no mialokaloka ao amin’ny kandidà solombavambahoaka sy ho governora amin’ny antoko Mapar na Tgv, na koa ireo mpomba azy ireo toa ny IFi (Isika rehetra miaraka amin’i Andry Nirina Rajoelina) sy ny tsy miankina hafa izany maro izay midradradradra fa mpanohana fanjakana. Tsy izahay ihany no nahatsikaritra izany fa ny ny avy amin’ny mpomba ny fanjakana izay mitantana ao amin’ny Tgv sy ny Mapar aza dia manamafy fa 30% ny kandidà neken’ny SN (Sekretera nasionaly) sy ny “Coordo” ary ny birao pôlitika dia olona manana raharaha maloto any amin’ny fitsarana avokoa.  Dia mbola nampiany indray fa ny 50% ny kandidà mpomba an’i Andry Rajoelina dia voakasika toa izany koa. Ankehitriny dia mazava ny resaka satria olona any ampigadrana, izay voatazona vonjy maika amin’ny raharaha “kidnapping” izay nitranga tany Toamasina ny volana novambra 2018 lasa teo no mbola afaka nilatsaka tao anatin’ny lisitra mpanohana an’ny Mapar-Tgv any Ifanadiana ihany. Fantatra fa teo ankavanan’ingahy Andry Nirina Rajoelina ingahy Manantena Hajanirina Dina tamin’ny fisehoana nataony ankalamanjana maro teto Madagasikara. Ankehitriny dia kandidà faharoa izy ao anaty lisitra ao Ifanadiana ary mpomba ny fanjakana Andry Rajoelina izany any an-toerana. Dia gaga ny Malagasy rehetra raha nandre izany satria nahazo fahafahana vonjy maika koa izy na dia “kidnapping” aza no itanana azy. Izy irery no navotsotra tamin’ireo namany valo izay voarohirohy nanao ity asa ity. Tamin’izy voasambotra dia voalaza fa fianakaviana akaiky ny lohandohany ao amin’ny Mapar ity Dina ity. Mbola niteraka resabe teto amin’ny firenena koa ny kandidà IFi ao Fandriana nisy an’i Hasimpirenena izay voatazona vonjy maika ao am-ponja koa amin’izao fotoana izao. Raharaha fanodinkodinana tao amin’ny fananan-tany no itanana azy. Mbola maro no olona voalaza fa manana raharaha maloto eto amin’ny firenena no mialokaloka ao amin’ity antoko TGV/MAPAR ity amin’izao fifidianana izao. Ho hitantsika eo ihany ny tohiny. Jesy Rabelaolao

Kandida depiote atidohana kidnapping tany Toamasina – Nomena fahafahana vonjimaika i Hajanirina – Tia tanindrazana du 27 mars 2019

Nomen’ny Fitsarana Ambony Toamasina fahafahana vonjimaika i Manantena Hajanirina Dina izay voarohirohy noho ny fakana an-keriny. Nanao fanakanana ny fampanoavana amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any an-toerana, saingy tsy afa-nanoatra. Ny androtr’io ihany dia efa niala tao Toamasina an’Antananarivo ny tenany, raha ny fampitam-baovao. Nizarany ny hafaliany io fahafahany io ireo namany, ary koa ny nampahafantarany fa « tsy nisy nanampo ny nialany » tao am-ponja ny maro. Marihina fa voarohirohy ho niketrika ny fakana an-keriny ilay teratany karana Arman Kamis ny tenany ny volana novambra 2018, ary voasambotra tany Antsirabe ny volana desambra 2018. Niisa 8 ireo niara-voasambotra taminy. Nilaza ny tsy hanaiky lembenana amin’ny mety ho fanavotana sy fampanoavana tao Toamasina ny volana desambra 2018. Mahagaga fa tsy mbola notsaraina ity raharaha ity no izao nomena fahafahana vonjimaika izao ilay voalaza fa atidohan’io fakana an-keriny io. Kandida depiote mpisolo toerana amin’ny lisitra tsy miankina iray mirotsaka ao amin’ny distrikan’Ifanadiana i Manantena Hajanirina Dina, amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao amin’ny 27 mey 2019.  Mampiahiahy ny nahazoany fahafahana vonjimaika izay mety efa ela izany, fa natao nangingina matoa afaka nikarakara ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany izy. Toa manamarina izany rahateo ny vaovao nivoaka vao andro vitsy izay momba ny fisamborana azy indray, saingy io nomena fahafahana io. Misy amin’ireo dosie misy 14 karazany rahateo tsy maintsy fenoin’ny mpilatsaka ho fidiana, ka tsy maintsy eo imason’ny tompony no atao ny fanamarinana azy.  Tany aloha dia ny Vondrona MAPAR no nahalalana azy, ka asa na misy hifandraisany amin’izany izao fanafahana azy izao na tsia. Toky R

Toamasina – Noafahana vonjy maika i Dina mpanao « kidnapping » _ La gazette DGI du 27 mars 2019

Mihorohoro ankehitriny ireo teratany Karana mpanefoefo ao Toamasina, indrindra fa ny fianakavian’i Arman Kamis, mpandraharaha any an-toerana izay nisy naka an-keriny, ny volana novambra tamin’ny taon-dasa teo. Efa miriaria eran’ny tanàna indray mantsy ankehitriny i Manantena Hajanirina Dina rehefa nomen’ny fitsarana ambony ao Toamasina fahafahana vonjy maika, ny alatsinainy lasa teo. Ity farany izay voampanga ho ati-doha mpikotrika fakàna an-keriny eto amintsika, ka anisany efa lasibatra tamin’izany i Arman Kamis, araka ny efa voalaza tetsy ambony. Mpandraharaha iray ao Antsirabe ihany koa no voalaza fa efa nalain’izy ireo an-keriny, volana maro lasa izay. Tsara marihana fa nitsipaka ny fanomezana fahafahana vonjy maika an’i Dina Hajanirina ny fampanoavana amin’ny ambaratonga voalohany ao Toamasina, saingy mifanohitra tamin’izany kosa ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana ambony. Ny Tonia mampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny lefiny ary ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena ao amin’ny Faritra Atsinanana, dia samy nanamafy raha nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tany an-toerana fa io Dina Hajanirina io mihitsy no tompon’antoka tamin’ny fakàna an-keriny an’i Arman Kamis. Marihana ihany fa mpikambana tao anatin’ny vovonana pôlitika MAPAR ity mpanao “kidnapping” gaigilahy ity, talohan’ny nisamborana azy, ary raha ny fantatra dia kandidà depiote mpisolo toerana ao amin’ny distrikan’Ifanadiana ny tenany na mbola voatàna vonjy maika tao amin’ny fonjan’Ambala- tavoahangy aza. Mampametra-panontaniana ihany moa ny hoe: “ahoana no naneken’ny CENI ny filatsahan-kofidian’i Manantena Hajanirina Dina kanefa mbola manana raharaha maloto eo anivon’ny fitsarana ary mbola voatàna am-ponja vonjy maika? Midika ve izany fa tsy misy mihitsy ny fanadihadiana ataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana amin’ireo anaran’olona milatsaka ho fidiana depiote?”  Marihana fa olona miisa 8 hafa, izay voalaza fa mpiray tendro amin’io lehibena tambazotra mpaka an-keriny io no efa voasambotra ary niara-niditra am-ponja vonjy maika taminy. Andrasana moa ny hevitra ny minisitra ny Fitsarana manoloana ity raharaha ity. Ny fitondrana mijoro ankehitriny mantsy izay midradradradra fa tsy handefitra mihitsy amin’ireo mpanao ratsy eto amin’ny firenena. F.Tsihiavonana

Fakana an-keriny tao Toamasina – Nahazo LP ilay voarohirohy ho lehiben’ny mpanao kidnapping – Midi madagasikara du 27 mars 2019

Raha ny angom-baovao marim-pototra, dia nahazo fahafahana vonjimaika, ny alatsinainy 25 mars hariva teo i Manantena Hajanirina Dina na i Haja, izay nitranga nandritra ny fandalovan’ny praiminisitra teto Toamasina ny alatsinainy mihitsy, ingahy Manantena Hajanirina Dina, nefa nambaran’ny komity manokana nisahana ny resaka fakana an-keriny tamin’izany izay niarahan’ny tonia mpampanoa lalana sy ny zandary ary ny polisy, fa ity Haja izay tratra tao Antsirabe ity mihitsy no tena atidoha nikotrika ireo fakana an-keriny karana maromaro teto Toamasina. Vao nahazo ilay fahafahana vonjimaika ny tenany, dia ny alatsinainy alina ihany dia efa niala teto Toamasina namonjy an’Antananarivo sy Antsirabe niaviany ary hihazo an’Ifanadiana izay nirotsahany ho kandida solombavambahoaka ihany koa. Amin’ity maha-kandida solombavambahoaka azy anefa no tena nahagaga ny maro satria tao anatin’ny fametrahana ny antontan-taratasy tamin’izany, dia mbola nifonja vonjimaika tao Ambalatavoahangy ingahy Haja ity, nefa afaka nikarakara ireo antontan-taratasy maro nofenoina tao anatin’izany. Raha ny fanazavana anefa, dia antontan-taratasy tsy latsaky ny 14 no tsy maintsy fenoina sy atao Sonia mandritra ny fametrahana ny filatsahan-kofidiana teny anivon’ny OVEC isaky ny distrika, ary mila miatrika ny fanaterana izany mivantana ireo lisitra iray mpilatsaka hofidina mandritra ny fametrahana izany ihany koa. Raha ny zava-misy izany, avy hatrany dia midika fa na voalohany nanao fampiasana Sonia hosoka ny mpiray lisitra amin’ny kandida mbola nifonja tao Ambalatavoahangy ity; na faharoa nisy ny firaisana tendro tamin’olona tety ivelany nitondra ireo antontan-taratasy tokony hataony Sonia teo anivon’ny fonja ben’i Toamasina nahafahany nandrotsaka izao maha-kandida ho solombambavambahoaka ao Ifanadiana izany. Ho hita eo izany ny tohiny, satria antony iray nampisy ny fihaonana teo amin’ny OMC atsinanana sy ny praiminisitra tonga teto Toamasina nyu alatsinainy 25 marsa teo, ny resaka ady atao amin’ny fakana an-keriny izay nahazo vahana tao ho ao izay, ary tsy tiana hiverina intsony, nefa izao nandritra ny fandalovan’ny praiminisitra teto Toamasina izao no nahazo fahafahana vonjimaika ity nolazaina ho lehiben’ny fakana an-keriny karana teto Toamasina ity. Mila fanazavana ny vahoaka sy ireo fianakavian’ny nalaina an-kery, indrindra mikasika ireo namany 7 niara-tratra taminy na mbola mifonja vonjimaika ao Ambalatavoahangy, na efa nahazo fahafahana vonjimaika ihany koa. Malala Didier

Rapt à Tamatave – Le cerveau présumé candidat à la législative libéré par la chambre d’accusation – Expressmada du 27 mars 2019

Le fameux Dina Hajanirina, présumé commanditaire d’un kidnapping survenu en novembre à Toamasina est remis en liberté, lundi, par la chambre d’accusation.   Surprise … Le protagoniste d’un dossier de kidnapping depuis novembre à Toamasina vient d’être  relâché provisoirement  par la  chambre d’accusation,  lundi.  Il s’agit  du fameux  Dina Hajanirina, tout autant candidat suppléant à  la prochaine élection législative dans le district d’lfanadiana.  Interloqué, le procureur  général  Thierry  Lauret  Rajaona,  près du tribunal  de première instance locale a appris sa  libération vers 20 heures. En f1n de soirée, quelques hauts responsables judiciaires  dont le procureur général près de la Cour d’appel et lui, ainsi que  d’autres  représentants  de  l’autorité  publique  ont  eu  une  réunion  avec   le  premier Ministre. Après cela et au hasard, cette nouvelle de mise en liberté d’un géant a résonné. L’entourage  de  l’Indien  sexagénaire  enlevé  le mercredi  21  novembre  et  les forces  de  la gendarmerie   saisies  du  dossier  qui  nécessite  encore  un  travail  de  fourmi  et  d’autres investigations de longue haleine ne savent plus quoi exprimer comme réaction. « Voilà … ils étaient huit personnes à être retenues en détention préventive, mais Haja est donc  acquitté », soupire le colonel Théodule Ranaivoson, commandant du groupement de la gendarmerie d’Atsinanana  en pestant contre la notion de l’État de droit.   La CENI explique   De sources confirmées, « une importante personne est intervenue  pour  toute  cette démarche d’immunité ». Selon les dernières informations  recueillies, cet ancien prévenu et non moins candidat suppléant à lfanadiana a quitté Toamasina la nuit même de sa libération pour rejoindre la capitale. Autant de questions se posent autour du temps où il devrait vérifier son dossier de candidature déposé à l’organe de vérification et d’enregistrement des candidatures (OVEC). « Pour lfanadiana où le scrutin est uninominal, un mandataire peut se charger de la préparation de son dossier, comme ce qui est arrivé au candidat kidnappé à Tsaratanàna. Et puisqu’il n’y a pas encore de condamnation définitive au moment du dépôt, son casier judiciaire reste clean », précise Fano Rakotondrazaka, rapporteur général de la commission électorale nationale indépendante (CENI), joint  par téléphone. Et lui d’ajouter, « s’il est élu et si la condamnation définitive tombe après le procès, ce sera la Haute cour constitutionnelle qui prendra la décision. Puis la procédure judiciaire à  son encontre se poursuivra ». Hajatiana Léonard.   Manantena Hajanirina Dina a été épinglé dans le kidnapping d’Armand Kamis, le directeur général de la société de transport Trans Fy Express, à Toamasina, le 21 novembre 2018. La victime d’origine indienne a, ce jour-là, été arrachée de son bureau à Ampasimazava par quatre individus armés de kalachnikov. Au bout de six jours de captivité, elle a été libérée sur une intervention militaire, à Tsarakofafa Toamasina II sana paiement de rançon. Une arme de guerre avec quatre chargeurs a été  prise lors de cette opération musclée. Mercredi 06 décembre, Hajanirina, présumé commanditaire de cet acte criminel a été interpellé dans la ville d’Antsirabe. Il a été dénoncé par deux ravisseurs cuisinés. Il a déjà été impliqué dans un rapt à Toamasina en 2009, puis relâché en 2016. En fait, il figure parmi le gotha politique entourant surtout la magistrature suprême.

Kidnapping tany Toamasina – Nahazo fahafahana vonjimaika i Manantena Hajanirina Dina na teo aza ny fanakanan’ny fampanoavava – Taratra 27 mars 2019

Nomen’ny fitsarana Ambony Toamasina fahafahana vonjimaika i Manantena Hajanirina Dina, afakomaly na teo aza ny fanakanana nataon’ny fampanoavana amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina… Niala tao Toamasina ary niakatra aty an-drenivohitra ity mpanao politika voasaringotra ary voarohirohy ho atidohan’ny “kidnapping” ao Toamasina. Nilaza ireo olona akaiky ity lehiben’ny mpanao “kidnapping” ity fa samy tsy nanampo izao nahazoany fahafahana vonjimaika ka nivoahany ny fonjan’Ambalatavoahangy izao. Etsy ankilan’izany kosa, mihorohoro tanteraka ny fianakavian’ilay teratany karana antsoina hoe Mohamed Arman Kamis, karana mpandraharaha tompon’ny orinasa tsy miankina “trans Fy” izay nalain’ireo jiolahy an-keriny ny volana novambra 2018 lasa teo tao amin’ny toeram-piasany ao Ampasimazava Toamasina. Voalazan’ny zandary fa isan’ireo atidoha nikotrika ity raharaha fakana an-keriny ity i Manantena Hajanirina Dina. Avotry ny zandary teo am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny kosa ity teratany karana ity, ny 26 novambra 2018 tao Mangarano faharoa ka nanao tohivakana ny fisamborana taorian’izay. Vokany, voasambotra tany Antsirabe ny 29 novambra 2018 i Manantena izay nohamafisin’ny zandary fa tena lehiben’ireo mpaka an-keriny. Niakatra teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika izy taorian’izay. Nanitrikitrika ny tonian’ny mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, Rajaonah Thierry tao amin’ny lapan’ny fitsarana ambony Toamasina, ny 7 desambra 2018 fa tsy hamela fotsiny izao fahafahana vonjimaika  ho an’ireo mpaka an-keriny. Basy sy bala tao amin’ny sekolin’ny zandarimaria Ambositra… Tratra niaraka tamin’ireo jiolahy ny fitaovam-piadiana mahery vaika izay voalazan’ny zandary fa basy sy bala isan’ireo very tao amin’ny sekoly zandarimariam-pirenena ao Ambositra. Tsy mbola notsaraina ity raharaha ity saingy izao izy nahazo fahafahana vonjimaika izao. fantatra fa kandidà depiote mpisolo toerana ao amin’ny distrikan’Ifanadiana i Manantena Hajanirina Dina amin’ny fifidianana solombavambahoaka izay hatao ny 27 mey 2019 ary lisitra tsy miankina no irotsahany. Nahavariana ny rehetra ihany ny nahatafiditra azy tao anatin’ny lisitr’ireo ho fidiana. Fantatra fa efa misy ny fitoriana manafoana ny filatsahan-kofidiany ihany kioa eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC). Sajo sy J.C