Installation de Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO , Procureur Général près la Cour de Cassation de Madagascar , Manoela Barisoa RASALAMANARANTSOA, Premier Président près la Cour d’Appel de Fianarantsoa
Ce vendredi 22 février 2019, en présence de Mr. Jacques RANDRIANASOLO, Garde des Sceaux, Ministre de la Justice et Vice-président du Conseil Supérieur de la Magistrature ; ont prêté serment lors d’une Audience Solennelle qui s’est tenue à la Cour Suprême Anosy :
. Mr. Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO , Procureur Général près la Cour de Cassation ;
. Mr. Manoela Barisoa RASALAMANARANTSOA, Premier Président près la Cour d’Appel de Fianarantsoa ;
. Mr. ANTOINE, Procureur Général près la Cour d’Appel de Mahajanga ;
. Mr. Solofohery RAZAFINDRAKOTO, Chef du Ministère Public de 2ème degré du Pôle Anti-Corruption.
Il est à noter que l’installation du Procureur Général près la Cour de Cassation s’est déroulée lors de cette même Audience Solennelle.
Fizarana seza anatin’ny fanjakana Mahazo tombony ireo mpahay lalàna – Tia tanindrazana 22 février 2019
Niraradraraka ny fanendrena tompon’andraikitra ambony tamin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 20 febroary teo. Anisan’izany ireo tompon’andraikitra ambony amina minisitera maromaro.
Mpitsara sady mpahay lalàna miisa 3 no notendrena amina toerana ambony, dia Atoa Ranesa Firiana, Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra; Fanahimanana Tiaray, Talen’ny seraseran’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera; Imbiky Herilaza, Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany. Mbola mpahay lalàna ihany koa Rtoa Sahondra Rabenarivo, izay voatendry ho Filohan’ny komity ho an’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena na ny CSI. Manana ny paikady sy heveriny fa fomba hahafahana mahazo fahombiazana ny mpitondra amin’ny fametrahana tompon’andraikitra ambony samihafa tahaka izao. Mahalasa saina kosa ny fisafidianana ireo olona, izay mpitsara sy mpahay lalàna napetraka amina toerana stratejika, ary fantatra fa na dia manana fahaizana amam-pahalalana hafa aza izy ireo dia ny maha mpitsara azy ireo aloha no re fa mason-tsivana voalohany nahatonga ny safidy nahazoana ilay toerana. Malalaka amin’izay tiany ny filoha sy ny ekipany, fa raha dinihina kosa io, dia toa mizotra amin’ny fakana ny fon’ny mpitsara. Eo ihany koa ny mety ho fiarovan-tena amin’ny filalaovana ny lalàna sy fanamafisana orina ny fanjakana mety mbola mahatsiaro marefo. Mety hidika ho fihenjanan’ny fanjakana amin’ny lafiny maro ihany koa anefa io, toy ny eo amin’ny tontolon’ny serasera hifehezana na hamelezana ireo haino aman-jery mety tsy dia levon’ny vavonin’ny mpitondra. Ny resaka lalàna no iankinan’ny ain’ny mpitondra satria io foana no niteraka adihevitra teto sy mety nanova zavatra na ny tantara mihitsy aza. Ny filalaovana lalàna na famoronana lalàna mihitsy aza no tsy nampiongana ny filoha tamin’ny fanonganan’ny depiote azy, ny resaka lalàm-pifidianana no niteraka fidinana an-dalambe tamin’ny aprily 2018.
Tsotra fa ny tanjon’ny SMM amin’izao fotoana itantanany azy izao dia hanery ny fanjakana hampihatra lalàna hoy Clément Jaona Filoha vaovao ny SMM – La gazette DGI du 22 février 2019
Il appartient à Clément Jaona de redorer le blason ou la toge bien souillée de ces juges considérés parmi les corps les plus corrompus de Madagasca – Expressmada du 22 février 2019
Les membres du Syndicat es magistrats de Madagascar, SMM, ouvrent un nouveau chapitre de leur livre d’histoire. Par l’élection de Clément Jaona a la tête de leur « outil » de pression. Secrétaire général du bureau présidé par Fanirisoa Ernaivo, il succède ainsi à celle qui a fait beaucoup parlé d’elle plus que les intérêts des magistrats. Au point de maudire les éléments des forces de l’ordre pour qu’ils périssent tous par a vindicte populaire, comme trois inspecteurs de police à Fenoarivo-atsinanana, une déclaration objecte, innommable, indigne de son rang, fait lors d’un meeting des candidats anti-élection présidentielle devant le stade de Mahamasina. Fanirisoa Ernaivo qui a décrété la grève générale illimitée des magistrats pour dénoncer les errances du régime HVM, a fini par l’adouber. Elle a écopé d’une suspension de trois mois en attendant de connaitre son sort définitif. Il appartient à Clément Jaona de redorer le blason ou la toge bien souillé de ces juges, considérés par tous comme parmi les Corps les plus corrompus du pays.
Jacques Randrianasolo, Ministre de la Justice sur la braise, l’interpellation musclée de Mbola Rajaonah en est la preuve – Expressmada du 22 mars 2019
A cause des crises politiques à répétition, être garde de Sceaux et ministre de la Justice devient un poste plus que délicat. Un siège éjectable à tout moment. Ils étaient souvent invités à traiter des dossiers chauds touchant des personnalités impliquées dans des batailles parfois épiques. Jacques Randrianasolo n’échappe pas à ces engrenages difficiles à dénouer. Bien sûr, des entités anti-corruption ont « préparé » la mise hors d’état de nuire de Mbola Rajaonah, mais dans ce cas, les regards se tournent vers le patron de la justice. Et à ce propos, son arrestation a soulevé quelques compassions. Il est vrai que pour avoir amassé des milliards d’ariary en deux temps trois mouvements, en un clic, Mbola Rajaonah ne peut pas être en transitaire pour qui l’honnêteté est une vertu première. Mais de là à l’interpeller dans la rue et à le coffrer illico presto, tout cela rappelle des méthodes dictatoriales perpétrées par le HVM, tant décriées par les ténors du Mapar.
Hofaizina mafy ireo mpiasam-panjakana mpanao kolikoly – Ao Raha 22 fevrier 2019
Tsy handefitra amina fisiana kolikoly intsony ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nisongadina nandritra ny Filankevitry ny minisitra notanterahina teny amin’ny lapan’Iavoloha ny fandraisana fepetra hentitra hiadiana amin’ny kolikoly hotanterahin’ny fitondram- panjakana.
Voafaritra ao anatin’ ny fampitam-baovao avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, omaly, fa «fanatanterahana ny velirano napetraky ny Filohampirenena izao famongorana miainga eny ifotony ny kolikoly izao».
Fepetra iray lehibe sy vaovao horaisin’ny fitondram- panjakana manomboka izao ny fanasaziana an’ ireo mpiasam-panjakana tratra manao kolikoly. Ankoatra ny sazy ara-pitsarana dia hoesorina eo amin’ny toerany ireo mpanao kolikoly eny anivon’ireo sampandraha- raham-panjakana. «Asaina mamerina ny vola hatramin’ ny ariary farany nangalarin’ izy ireo izay tratra manao an’izany. Tsy hisy intsony izany ilay hoe mangalatra dia mitsotsotra sy mangatsiatsiaka rehefa avy manao ny tsy mety», hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, izay sady mpitondra tenin’ ny governemanta nandritra ny tatitra nataony, tetsy Anosy, omaly.
Tsy hiandry ela fa efa hihatra avy hatrany amin’ ireo izay voaporofo ho nanao kolikoly ireo fepetra ireo, ka isan’izany ny momba ny raharaha teny amin’ ny seranam-piaramanidina teny Ivato, farany teo.
Taratasy sy fanadinam-panjakana
Nandraisana fepetra ihany koa ny fanaovana ireny taratasim- panjakana ireny. Hisy, araka izany, ny fametrahana karazana sampandraharaha manokana hanome torolalana an’ireo olom-pirenena hahafahana manamora ny fikarakarana an’ireo taratasim-panjakana ireo. «Ho ampahafantarina mialoha ny taratasy ilaina sy ny fotoana hahavitan’ izany, mba hisorohana ny fanaovana kolikoly. Ho arahi-maso akaiky izany ary ezahina ny hamitana azy ireny ao anatin’ny fotoana fohy. Hapetraka ao anatin’ny telo volana ireo sampandraharaha ireo», araka ny tatitra nataon’ny minisitra, Rakotondrazafy Lalatiana.
An-kilan’izay, ho fanadiovana ny fanadinana hidirana ho mpiasam- panjakana dia nomena malalaka ho afaka hitaky sy hijery ny naotiny ireo mpiadina. Manomboka izao dia azon’ireo mpiadina atao ihany koa ny mijery hatramin’ny taratasim-panadinana nanaovany fifaninanana. Isan’ny niteraka resa-be sy niteraka adihevitra goavana tamin’ iny taon-dasa iny, ohatra, ny fanadinana hiditra ao amin’ny Sekolim- pirenena fanofanana mpitsara sy mpiraki-draharaha. Hihatra avy hatrany izany ity fepetra ity amin’io fanadinam- panjakana io. Nambaran’ny minisitra mpitondra tenin’ny governemanta fa tsy hitsitsy amin’ny fandraisana fepetra amin’ ireo trangana kolikoly eto amin’ny firenena intsony ny fitondram-panjakana manomboka izao.
Juliano Randrianja.
Telo hatramin’ny dimy taona
Isan’ny fepetra noraisin’ny Filoham-pirenena, Rajoelina Andry, nandritra ny Filankevitry ny minisitra, teny Iavoloha, ihany koa ny famerenana ny fotoam-piasan’ireo manam-pahefana sy mpiasam-panjakana ambony. Hoferana ho telo ka hatramin’ny dimy taona izany. «Tsy hisy intsony izany ireo tompon’andraiki-panjakana hijanona ela be eo amin’ny toerany. Na masoivoho io na mpitari-tafika na tompon’andraikitra ambony hafa. Hifandimbiasana, araka izany, ny toerana fa tsy ho giazana olona iray », arakany notaterin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana hatrany, tetsy Anosy.

