Ampitiavana tompokolahy sy tompokovavy no
hitondranay indray ny arahaba ato anatin’ity fandaharana manokana ity. Amin’ny
faha 15 ny volana Febroary hoavy izao no hanatantrehana ny fifidiana izay ho
Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara vaovao na ny filohan’ny SMM
izany.
Izany no hanasantsika olona roa manodidina izay
resaka izay androany dia Andriamatoa Clément Jaona izay kandida amin’io
fifidianana filohan’ny SMM io. Miarahaba anao tompoko.
Misaotra mankasitraka Mr Abrahama sy ny TV Plus
amin’ny nanasana anay amin’izao fandaharana manokana izao ary miarahaba antsika
rehetra mpihaino ny TV Plus na eto an-toerana na any ivelany, indrindra isika
mpitsara rehetra tsy ankanavana manerana an’i Madagasikara.
Nasaintsika ho an’ity androany alina ity ihany
koa ny Filoha lefitra ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara Ramatoa Ralaivaorisoa
Josianne. Miarahaba anao tompoko.
Miarahaba anao Andriamatoa Abrahama Razafy ary
miarahaba ny mpijery ny TV plus rehetra rehetra manerana an’i Madagasikara sy
manerana ny nosy.
Araka ny nambarantsika teo dia tanterahina amin’ny
faha 15 ny volana Febroary hoavy izao ny fifidianana izay birao vaovao ny Sendikan’ny
Mpitsara eto Madagasikara. Tsara ihany anefa mialohan’ny tena idirantsika
amin’izay mba hitondrana fampatsahivana kely ny tantaran’ny birao nisy teo
aloha teo izay nofidiana tany amin’ny 2016 tany.
Eny ary, ny birao izay mifarana ny asany amin’izao
fotoana izao alohan’ny hanaovana ny fifidianana vaovao dia natsangana tamin’ny
08 Desambra 2016. Hatreo izany dia 2 taona tamin’izany no mbola tokony mandat-ny
biraon’ny SMM izay tarihin’ny atao hoe Filoha moa izany, izay fantantsika fa
izy moa iny hitantsika fa nilatsaka ho filohan’ny repoblika iny; dia izay no
mahatonga hoe iza no mitarika ny SMM rehefa nametra-pialana izy nilatsaka ho
candidate tamin’ny présidentielle dia collégiale izany no ni-diriger ny
biraon’ny SMM izay ahitana sampana 4 eo amin’ny fitsarana: judiciaire,
administrative, financière, ampatsahivina kely moa ny faha-efatra Mr le vise-président
teo aloha, administration du ministère. Dia ireo entité anakitelo ireo izany no
lasa mi-diriger collégialement ny sendikan’ny mpitsara. Rehefa nandeha moa
izany taty amin’ny 07 Mars 2017, izay vao nandray ny asany ny birao vaovao,
satria nahoana, taratara no nahatongavan’ny valim-pifidianana rehetra manerana
ny juridiction teto Madagasikara. Dia tamin’izay nisy ny assemblé général izay natao
tamin’ny toerana anakiray ka nanapahana fa hoe andao indray ary atao 3 taona satria
fohy loatra ilay 2 taona, tsy dia be ny zavatra vita, dia tsy ahavitana zavatra
be moa izany fa tsy hoe tsy dia be ny zavatra vita. Dia natao manomboka
amin’izao izany, amin’izao birao vaovao izao rehefa lany vita ny fifidianana
dia ho 3 taona indray izany ny mandat-ny birao SMM, ny fotoana hiasana. Izay
ngamba no azo ampatsahivina satria amin’ny 15 Febroary izao hanentanana ny
mpitsara rehetra manerana an’i Madagasikara handray anjara amin’ny fifidianana
ny filohan’ny SMM vaovao, taona vaovao, fomba fiasa vaovao, izay ngambany no
azo ambara ny amin’iny Mr Ambrahama Razafy.
Ia, telo taona no fepo-toana niasan’ny birao
teo aloha, roa taona fa hiditra amina 3 taona amin’izay isika amin’ity.
Anankiroa ny kandidat hifaninana ao anatin’izay fifidiana izay. Anisan’izany
miaraka amintsika eto Andriamantoa Clément Jaona. Tao anatin’ny birao teo aloha
ihany ianareo na izany na tsy izany. Tsara horesahana ny hoe inona ny bilan na
ny zavatra vitan’ny birao nisongadina nandritra an’izay fotoana notantanan’ny
birao teo aloha izay.
Maromaro ihany ny zavatra vita, raha ny tolona
sendikaly natao tao amin’ny SMM. Ka hitantsika tamin’izany ny tolona izany,
ireny travaux de commission tany amin’ny primature ireny, ary ireny asa rehetra
rehetra sy fitakiana rehetra rehetra dia vita tamin’iny travaux de commission
iny ary nomena ireo minisitra nifandimby. Hatramin’izao izany mbola iandrasana
ny valiny, manaraka an’izay izany ny fitakiana moa dia tsy maintsy mipetraka
ihany ny fitakiana ny indépendance de la justice, fampiharana ny fanjakana
tandalàna. Ary raha amin’izao fotoana izao dia tena mahavelombola anay mpitsara
mihitsy ny fanambarana izay nataon’i president de la république fa hankatoa
tsara, hampanjaka ny fanjakana tandalàna. Ka inona no misy hatramin’izay, ny
misy hatramin’izay mankony saika, raha ny fampiharana ny fanjakana tandalàna, ny
lalàna dia saika natao ho an’ny daholo be fa tsy ho an’ny mpitondra, ary izany
no mahatonga ilay lazaintsika hoe fitsaram-bahoaka. Mahatsapa izany ny vahoaka
sy ny olona madinidinika ambany fa tsy mihatra amin’ny olon-drehetra ny lalàna,
izay no mahatonga azy hoe lazaintsika amin’ilay langage mahazatra hoe: fitsaram-bahoaka,
Amiko aloha ilay izy tsy fitsaram-bahoaka fa famonoana olona ankitsirano. Satria
ny fitsaram-bahoaka misy eto Madagasikara izao ohatra amindry zareo Atsimo hoe
kabary ambolo kily, kabary ambody madiro na malo na kabary na kabary andonaka,
amin’ireny no tena fitsaram-bahoaka ireny satria ny olona voahenjika, ny
fiaraha-monina sy ny mpiaro azy dia samy henoina. Fa amin’ity ilay lazaintsika,
ilay lazaiko hoe famonoana olona ankitsirano ity tsy misy mihitsy ny fihainona
ny feon’ilay olona lazaina fa enjehina amina zavatra anankiray. Ka mankasitraka
izahay izany amin’ilay filazan’ny fanjakana amin’ny fampiharana ny fanjakana
tandalàna, ny hita izao eto ohatra nataon’ny Praiminisitra hoe, la première
fois ngambany, na ireny minisitra nomena avertissement raha ohatra ka ni-brûler
code de la route, ny chauffeur voasazy. Ka faharoa ny hita izao raha ny eto an-tapontanana
an’Antananarivo sendra amin’ireny cité des jardins amin’ny sisin-dalana ireny,
ny polisy efa mi-rappeler ny olona hanaraka sisin-dalana, fiantombohan’ny
zavatra lehibe izay eto anivon’ny firenena amin’ny fanajana ny fanjakana tandalàna
ka miobon-kevitra tanteraka amin’izay izahay izany izao hatreto.
Tena vitan’ny birao teo aloha ve ny nametraka
an’izay karazana hoe indépendance na justice fametrahana ilay état de droit izay,
tena nisy ve izay raha ho an’ny birao teo aloha?
Toa manontany ianao hoe, vita ve?? Izahay tsy hiambo
hoe nahavita, fa kosa ny lakolosy nosontominay foana, hoe andao hosontomina ny
lakolosa satria tadidio, ny fanjakana mandalo, ny olona mipetraka, l’homme
passe mantsy e, la nation reste. Ka raha ohatra sy tahaka ahy, samy mangala ny
responsabilté ny olona tsirairay izay ohatran’ny nataon’ny SMM. Miteraka resabe
izay rehetra natao fa kosa mahatsapa izahay fa nisy akony ihany ilay izy,
satria aminay fanjakana mifandimby, anjaran’izay mandimby no manatanteraka ny
tsy vita teo aloha. Ka manantena izahay sady mino fa izay rehetra nolazaina
tato anivon’ny SMM mba misy nipitika ihany any amin’ny sofiny mpitondra ka
ahenoinay ankehitriny izany an. Izahay izany ohatrany mahatsapa, tsy hoe
satisfait, ny sendika tsy dia hoe satisfait complètement fa mahatsapa kosa fa
mba nisy zavatra ihany nohenoina amin’ireo rehetra notantarainy na dia io moa
izany tsy misy olona tonga lafatra e, fa tsy maintsy misy foana, hoy ny vazaha hoe:
les hauts et les bas amin’ny fiainana. Fa rehefa ohatra ka nisy tsy nety an, toko
tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety harenina. Mbola mihevitra izany
izahay, fa mihevitra izahay fa mbola hanao tsaratsara kokoa ary bebe kokoa
mihoatra ny nataonay teo aloha.
Eo anivon’ny fiatraikan’ny eo amin’ny olom-pirenenena
izany norehanareo izay, raha maha sendika an’azy moa dia miaro ny tombontsoa sy
ny manodidina an’izay mpitsara izay. Aiza ho aiza kosa ny tena vokatra
mahakasika an’ireo mpitsara amin’ny maha mpitsara azy ireo?
Ny zavatra andraikitran’ny sendika moa araka ny
tenin’i Ramatoa vice-président teo fanairana ny lakolosy, manome hevitra, manao
concertation sociale, partenaire sociale ny sendika. Raha ny zavatra nisy izany
hatreto aloha, mba efa hitanay fa nihaino ny mpitondra fanjakana. Fa ny fanatanterahana
ny zavatra atao moa tsy mora, ka ny zavatra rehetra rehetra notakianay taty
amin’ny SMM dia efa noraisin’ny CSM koa izay, ary noraketina ho document no
nalefa ho any amin’ny ministera. Misy izany amin’ireny zavatra notakiana ireny efa
misy volavola na tolo-kevitra noraketina ho amin’ny lalàna na didim-panjakana
nalefa any amin’ny ministera iarahana amin’ny CSM sy ny SMM izany ny
hanatanterahana azy. Raha eo anivon’ny fiaraha-monina izany ny sendikan’ny
mpitsara izany dia isan’ny niankinan’ny sendika rehetra rehetra teto
Madagasikara, raha nojerena izany ny fihetsika teto dia saika ninoan’ny société
civil koa ny fihetsika izay nataon’ny sendikan’ny SMM teto. Ka izay no
nahatonga izao hoe, niarahana tamin’ny Friedrich ebert nisy mihitsy ny vina sendikaly natao 2018 à
2024 izay. Dia ireny vina sendikaly rehetra rehetra ireny na amin’ny secteur
public na amin’ny secteur privé zavatra an-tsoratra ireny ho entina amin’ny
mpitondra hoe ireto ny hetahetan’ny mpiasa rehetra eto Madagasikara. Ary ny
andraikitry ny SMM tamin’izay dia ny lafiny araka ny lalàna.
Niteny Mr Abrahama Razafy, hoy ianao hoe inona
izany ny anjara biriky nentiny sendika amin’ny maha sendika azy ho an’ny
mpitsara satria alohan’ny hitantara, ohatra izao hoe sendika hafa SSM izay
notaritin’ny SMM? Ny mpitsara aloha ny SMM no voalohany indrindra. Tena nanao
ary nitaky be dia be, sarotra be manko indraindray rehefa mandeha ny assemblé général
manazava an’ilay izy amin’ny namana. Fa ny zavatra azo tenenina, nisy fitakiana
nataon’ny mpitsara. Tsy ela izany izay, tamin’ny minisitra teo aloha, ilay
talohan’izao, nanao fivoriana niarka tamin’ny ministera araka izay notenen’ny kandida
ho filohan’ny SMM teo izay, nametraka mihitsy , ary efa vita an-tsoratra, inona
izany ny zavatra notakiana, tena hoe, tsy nomena moa izany fa ohatrany
ni-accorder sur les principes, principes mantsy izany vao concrétisation. Dia
ny principes rehetra efa accepter daholo, ohatra fotsiny no omenay, ny amin’ny
hoe rehefa misotro ronono ny mpitsara. Izaho manko teto efa niteny indray
mandeha izay hoe lasa katramy nge izahay ireto rehefa ohatra ka, satria tsy
arakaraka ny zavatra iainanay sy takiana aminay ny tambiny omena anay rehefa
avy eo, sy rehefa mba misotro ronono izahay, ronono efa matsatso, lasa matsatso
be ilay ronono dia tsy mety, fa kosa ohatra mba nekeny. Ny voalohany aminay fitsarana
moa izany dia ny ministeran’ny fitsarana no mi-diriger anay, no iankinanay
plutôt. Dia nanaiky an’izay ny ministeran’ny fitsarana hoe ataovy ary fa ho
entinay eny amin’ny fanapaha-kevitra satria mantsy isika mahalala hoe tsy
maha-tapa-kevitra irery na ny ministera iray ary, fa misy hoe conseil des ministres,
conseil de gouvernement. Efa vita daholo izay rehetra rehetra izay an, miandry
ny vokany izahay sisa. Ary mino izahay fa hahazo, izay ny finoanay, manana
finoana hono.
Ny mahatonga ahy miteny an’izay mantsy dia be
dia be ny zavatra nolalovan’ny sendika tao anatin’izay roa taona izay,
betsabetsaka ny nafanafana, nisy notehafana ny sendika tamin’izany fotoana izany.
Betsabetsaka ihany koa ireo tao anatin’ny fiainam-pirenena noresahana, fa teo
ihany koa na izany na tsy izany voaresaka teo ohatrany ny mahakasika ny hoe resaka
fitsaram-bahoaka, ny resaka kolikoly eny anivon’ny fitsarana. Ahoana indray ny
tetikady mety ho entina hamerenana izay fitokisana ny olom-pirenena tsirairay
ny fitsarana Malagasy izay?
Ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana no karazany
hoe maresaka be. Ny antony mamparesaka azy dia izao, mitovy loatra ny salan’isa
ny olona afa-po sy ny tsy afa-po, hoe 50% ny afa-po, 50% ny tsy afa-po. Ary raha
ny tsikera mahazo anay mpitsara izany sy ny fitsarana, tokony efa nikatony mihitsy
ny fitsarana eto Madagasikara, kanefa tsy ohatran’izay ny zava-misy, fa mitombo
andro aman’alina ny dossiers miakatra eny amin’ny fitsarana. Izay fitombon’ny
dossiers andro aman’alina miakatra eny amin’ny fitsarana izay, midika fa betsaka,
ataoko hoe io ihany ny olona matoky ny fitsarana. Ny raharaha, maresaka ilay
kolikoly ety amin’ny fitsarana satria ety tsisy match nul, tsy maintsy misy
resy. Ary amin’ny kolikoly raha ohatra ka misy ny match nul anie tsy henontsika
e. Ka ny maha-sarotra azy, dia izay ilay olona tsy afa-po izay, izay no tena
manana zava-maneno na sônô ohatrany sôman’i Rossy tamin’ny androny angambany,
maresaka be ireny, fa ny olona tsy afa-po, ny olona afa-po azafady dia tsy dia henonao
feo loatra. Ka izay no mamparesaka an’io, ka ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana,
eo koa amin’izay raha ny eto amintsika ngambany vitsy ny olona manaiky an’izany
fahaleovantenan’ny fitsarana izany, satria izao ny olona izay manana raharaha
eny amin’ny fitsarana dia tsy manana reflexe izy hoe hitady avocat. Fa
hiazakazaka hoe iza moa ny mpitsara hitsara io, iza no mpitsara hainareo any,
izay dia efa milaza fa tsy fanekena fahaleovantenan’ny fitsarana. Misy ny
fahaleovantenan’ny fitsarana raha ohatra ka lasa kolontsaina eto Madagasikara
ny hoe avelao ny fitsarana hanao ny asany. Izay izany no mbola tsy kolontsaina
eto amintsika aloha. Ny kolontsaina eto amintsika, raha misy raharaha mandalo
eny amin’ny fitsarana dia hoe iza no mahalala mpitsara, iza no mahalala
greffier. Izay izany ny fipetrakany ny hoe indépendance de la justice. Misy
aloha ny indépendance de la justice, ny antony mbola tsy aro nisy mpitsara voasazy
amin’ny didy izay navoakany, satria ny didim-pitsarana dia tsy maintsy misy
foana ny fanazavana na ny motif ao anatin’ny didim-pitsarana. Ary raha ohatra
ka tsy ampy, na tsy misy izay, izay ny mpitsara namoaka an’ilay didy vao mety
voasazy na ilay didim-pitsarana frapper-ny appel na cassation.
Mety hanampianao
an’izay, ahoana ny fomba hamerena an’izay fitokisan’ny olom-pirenena tsirairay
avy ny tontolon’ny fitsarana eto Madagasikara ?
Ny voalohany
indrindra ngambany Mr Abrahama Razafy, hoe tontolon’ny fitsarana, inona moa no
ampiasainao, ny didim-pitsarana, lalàna no ampiasaina. Ny tena problème izany an ny tsy fahaizan’ny
olona koa an’ilay lalàna. Raha hiresaka izao isika “indépendance de la
justice”, vitsy ny olona mahalala ankoatran’ny tontolon’ny fitsarana hoe
partiellement l’indépendance existe, partiellement hoy aho, satria nahoana, ny
resaka juge mpamoaka, ny mpitsara mantsy ataon’ny olona juge daholo ny rehetra
rehetra. Ny mpitsara misy karazany roa izany raha ohatra atao faran’izay tsotra
ny fanazavana, dia ny mpamoaka didy sy ny ato amin’ny fitakiana ny fampiharana
ny didy. Ny tonia mampanoa lalàna ambony io. Io mantsy samy manana ny anarany
izy amin’ilay ambaratongam-pitsarana anakitelo dia ny hoe: ambaratonga
voalohany, ambaratonga ambony, ambaratonga any amin’ny tampony, cours suprême.
Dia misy foana ny atao hoe mpitsara mpamoaka didy. Misy kosa ny mpitsara ato
amin’ny atao hoe ministère public. Io mpisatara mpamoaka didy io izany rah any
principe no arahina independent io, izay ny principe, izany ny la logique, hoe
ny mpitsara mpamoaka didy an dia masin-teny, mahaleotena amin’ny didy izay
avoakany, noho ilay principe manao hoe: appreciation souveraine du juge. Fa ny
ato amin’ny mpitsara amin’ny fampanoavana, na fampanovana aty amin’ny fitsarana
ambaratonga voalohany io na amin’ny fitsarana ambony cours d’appel na amin’ny
fitsarana antampony cours suprême dia mipetraka foana ilay atao hoe
subordination hiérarchique, asa izay angamba izay principes izay no tokony amboarina
kely e; hoe ahoana moa ny fipetrak’ilay subordination hiérarchique izany hoe
mandray baiko fa raha ny marina izany juge du siège ilay mpamoaka didy tsy
mandray baiko fa misy ihany ilay indépendance. Fa ilay resaka indépendance de
la justice anie c’est très politique e. Raha vao atao fitaovana ho an’ny
politika ny fitondrana, ny fitsarana; dia tsy hisy mihitsy ny atao hoe
indépendance de la justice. On se sert de la justice pour assouvir son
pouvoir. Raha vao izay no
mipetraka dia miteny aminao aho Mr Abrahama Razafy fa na ho tapitra ary ny
siècle hatrany amin’ny taona firy an, tsy hisy izany indépendance de la justice
izany. Fa toe-tsaina io an, culture io an, anjaran’izay mpitondra mifandimby eo
an no mametraka hoe ahoana marina moa izany, satria izahay tsy afaka andeha hiteny
hoe izahay ange indépendant fa raha hoe partiellement hoy aho amin’ilay resaka
principe juridique mipetraka ny hoe tsy azo baikona ny mpitsara mamoaka didy. Misy
ihany, fa ilay avy ato izay mitaky ny fampiharana ny didy ilay application de
la loi, ilay application de la loi moa tsy dia natao hoe hanagadrana foana anie
fa hoe ampiharo amin’ny tokony ho izy ny lalàna, mety manasazy, mety koa anefa
manafaka. Satria ny olona tsisy eo ambonin’ny lalàna. Izany izany, arovan’ny
fampanoavana izay zavatra izay hoe, ny fomba fampiharana ny lalàna manafaka,
manala. Fa ato izany an, mamoaka ny didy amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy,
izay tsy tokony ho baikona amin’ny didy izay ataony fa. Ary ireny ilay olona
mibaikobaiko ireny tokony hanao sonia koa izy e, hoe izaho dia nibaiko fa izao
ny didy avokoa dia amin’izay samy tsisy maratra sady tsisy maka lagy intsony.
Ny fijerin’ny olom-pirenena tsirairay ny SMM izany
samy manana ny fomba fijeriny tao anatin’izay roa taona nitondran’ny birao teo
aloha izay, araka ny nambarako teo, be dia be zavatra nolalovany. Na izany na
tsy izany tsy ny olom-pirenena tsirairay no mandeha mifidy ny filohan’ny SMM fa
ianareo samy mpitsara ao anatin’io ihany. Inona ny atao hoe programan’asa sy ny
fampanantenana ho entinareo amin’ireo namanareo mpitsara ireo mba ahafahandry
zareo misafidy hoe iza marina ny tena lalana tokony aleha?
Marina izany, ny zavatra misy moa raha izahay
eto amin’ny plateau izao dia programme-na continuité ny zavatra nataon’ny
bureau teo aloha izany satria tamin’izay izany ny fitakiana, ny fametrahana
fanjakana tandalàna iny, ny fitakiana ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana ireny, famerenana
ny restauration de l’état de droit, ireny izany mbola mipetraka. Ary ny
fahitana azy amin’izao fotoan izao, raha hitohy ny fitondran’ny fanjakana ny
fipetraka ny raharaha izao dia efa tafiditra amin’ilay fitakiana sy ilay
hetahetanay ilay izy. Ny sisa nampitaraina ny olona izao amin’ny
raharaham-pisarahana raha arakan’ireny débat-ny Sénateur ireny isika dia hoe be
dia be hoy izy amin’ny faritra misy azy ny didim-pitsarana tsy mihatra. Izay
izany ny fitarainana, ka ny tsara ho fantatrintsika vahoaka ireny, ny
raharaham-pitsarana dia mifarana hatreo amin’ny famoahana didy. Rehefa vita ny
famoahana didy, rehefa mivoaka ny didy dia afaka tanteraka ny fitsarana. Fa ny
fanantanterahana ny didy araka ny hoe maha excecution azy izay, an’ny
excecutif. Dia raha izay zavatra notenenin’ny Senateur izay ny izy dia any
amin’ny solontenam-panjakana no tokony hiantefa izay fitakiana ny fampiharana
didy izay. Satria ny andinin’ny faha 65-ny lalam-panorenana dia milaza fa ny premier
ministre no manara-maso ny fampiharana ny didim-pitsarana. Dia ny
solontenam-panjakana any amin’ny faritra izany, any amin’ny prefecture, ny
lehiben’ny distrika, araka ny andininy faha 15-ny lalàna mikasika ny représentation
de l’état dia ny hoe ny représentant de l’état représente le premier ministre.
Ka izay fahefan’ny premier ministre amin’ny fanaraha-maso ny didim-pitsarana
izay, any amin’ny solontenam-panjakana izany no tokony hiantefan’izay fa tsy
tokony tany amin’ny minisitry ny fitsarana no ni s’addresser-na izay
fangatahana izany. Izany izany ny zavatra hitanay ka mbola mametraka ihany
izahay. Ny zavatra nahavoa ny présidente-nay teo aloha, karazana sahalan’ny
zavatra incident, déclaration amin’ny maha president-ny république azy no
nataony, vava latsaka iny, fa ny anay anie aina nafoy mihitsy mpitsara e, ary
tsy misy olo-migadra mandrak’ity niany. Ka izay izany no zavatra hoe ny
fampiharana ny lalàna tokony hitovy amin’izay, izay izany no takiana, ary ny
fiarovana ny mpitsara eo amin’ny fandalovana codis sanatria ny vava, iny no
mbola entohan’ny sendika, tsy maintsy eny foana ny SMM miatrika sy misolotena
na mi-assister ireo olona mety hiaran’ny, mety hiaran’ny sazy.
Amin’ilay hoe fiarovana ny mpitsara an,
atsipinay ity mba araraotinay kely, na izahay eto amin’ity plateau ity, ny
asan’ny fitsarana nge re olona ka sarotra e, sarotra, dia izay izao asiana hoe
indemnité de risque moa, izay tsy mahavidy ny risques-nay akory ny valeur-ny,
kanefa ihany koa raha ohatra izao izay matériellement parlant nisy circulaire
izay navoaka, navoakan’ny fanjakana, hoe ny vitre fumée dia ireto ihany no
olona afaka manao azy, ny minisitra e, ny autorités e, ny izao e, ireo nga misy
risques? Fa ny mpitsara kosa tompoko an, tadidio fa nisy namany mpitsara an,
izy ao amin’ny efitra fitsarana, ny tômôbilina-ny an mipetraka ao amin’ny
parking. Fa nivoaka avy tao amin’ny parking izy a, soratsoratra kiakakiaka
satria tezitra ilay olona satria nogadraina ny havany, fa iza amin’ireo fa tsy
fantatra hoe iza izany no nanakiaka azy. Entiko ilazana hoe ny risques, izany ary
mbola tômôbilina no nataony. Ilay vitre fumée io ange ka hoe dossier-panjakana
no entinao a, dossiers sensibles no entina ao an, dia mba anatina ordinateur
iray izao raha lasan’ny jiolahy any iny, ao daholo no mety momba anao
manavakavaka anay io ary, mety ao anatin’iny daholo, dia ho hitan’ny olona. Ka izahay
izany tsy tokony mba ahilikilika fa mba tokony ampidirina ao anatin’ilay sokajy
satria izahay mandray ny miaramila hoe officiers generaux nosoratana eo. Ry zareo
mbola manana basy e, mbola manana miaramila, garde du corps e; fa izahay sady
tsy misy garde du corps, tsisy basy tsisy n’inon’inona, izahay nefa manana
risques be dia be, dia maninona izahay raha mba avela manao an’ireny vite fumée
ireny ihany koa, mba amin’ny asanay, mba hiarovana anay. Ka izay izany mba
apetrakay amin’ny fitondram-panjakana, hataka manokana ho an’ny mpitsara mba ataovy
anatin’ny lisitra mi-bénéficier an’izany koa ny mpitsara ho fiarovana anay
amin’ilay risques
Manana zavatra ambara ohatran’izao indray izaho
manko, amin’izao fotoana izao, ny fitondrana ny raharaham-panjakana eto Madagasikara
dia fangaraharahana. Dia inona moa ny raison d’être an’ilay vitre fumée, inona
no asitrika ao anaty tômôbilina amin’ny fangaraharahana. Ka tokony ho hitan’ny
olona ilay izy, tsy misy zavatra afenina anie ao e. Ka tokony, tsy tokony hoe ,
na izy io generaliser-ny na izy tsy ho asiana. Izay aloha ny hevitrako
amin’ilay izy raha ohatra ka hoe foto-kevi-dehibe hoy aho, mba ho hitan’ny olona
modely izao na ny Premier Ministre teo an, rehefa tratran’ny emboutaillage izy
dia nandeha tongotra, ary maro be ny olona manao izany. Ohatran’izany izao hoe,
hitan’ny olona hoe inona no afenina ao anatin’ny voiture fumée, fa
farafaharatsiny hoe hangataka porte d’arme ohatra, dia ny asa rehetra rehetra
samy misy risques aby, izay.
Hanaovantsika adi-hevitra manokana mihitsy moa
ilay resaka vitre fumée iny fa be dia be ihany koa no mangataka ho ampidirina
ao anatin’iny lisitra iny. Fa mamarana ny fandaharana isika dia, raha mbola
misy tianareo aterina farany ao anatin’ity dia fotoan’izao.
Voalohany, ny famaranana ny fitenenana dia
misaotra antsika teto amin’ny TV plus sy ny mpanaraka nanaraka an’ity fandaharana
manokana ity, ny foto-kevitra lehibe izay hitondrana ny sendika dia mbola tsy
misy fiovana loatra fa mbola tohin’ny programa nisy antsika hatramin’izay sy ny
fitakiantsika rehetra dia tsara hatramin’izay. Ny zava-baovao izao any ny
fangatahan’ny sasany, namana amin’ny mba hoe hahazo hitazona basy. Fa mihabe
andro aman’alina ny risques-ny mpitsara, ary efa maromaro ary ny sasany izao
ohatra tany Morondava ohatran’ny tamin’ny taona iray izay, tranona Procureur
mihitsy no novakian’olona, zavatra ohatran’izany saro-pady. Ka hotazomintsika
ny fitakiana mikasina ny fahaleovantenan’ny fitsarana, ny fanajana ny fanjakana
tandalàna. Izany ny fanajana ny fanjakana tandalàna izany tsy mijanona amin’ny
hoe fampiharana ny lalàna fotsiny fa fampiharana koa ireo didim-pitsarana
rehetra izay hita fa didy raikitra tokony ampiharina. Mankasitraka antsika
rehetra mpitsara, manentana antsika rehetra mpitsara mba ho tonga hifidy ary
mba ho pourcentage maro ambonimbony no pourcentage hahalany izay ho filoha eo
mba ahafahana maha bebe feo amin’ny fitakiana izay mety ho atao, mankasitraka,
mankatelina antsika rehetra naharitra nihaino hatramin’ny farany.
Hamaranako azy ngambany dia ampahafantarina ny
mpitsara rehetra rehetra fa roa izany ny kandida antsika dia Andriamatoa
Clément Jaona sy misy hoe Mr James izay, fa tsy hoe akory hoe manilikilika azy
izahay an, satria tsy manonono azy mihitsy eto. Fa fifidianana midika hoe tsy
olona iray fa misy ambonin’ny anankiray. Satria efa nihidy moa izany ny
fametrahana candidature. Raikitra izany fa anankiroa ny kandida. Ny fanentanana
ataonay izany amin’ny maha vice-présidente-ny SMM amin’ity birao farany
alohan’ny hidiran’ny vaovao ity an dia ny mba hahatongavan’ny mpitsara maro be
mba handrya anjara amin’ilay fifidianana, fa amintsika arivo latsaka ny isa an,
tsy tokony hoe olona 200, 300 fotsiny no mifidy fa mba farafahakeliny mba crédible
kokoa ny fitsarana sy ny valim-pifidianana, mba hampisy lanjany an’ilay olona
fidiana, zava-dehibe mantsy izany amin’ny fiainana satria hoe 100% nefa mety
hoe 20% ny tena marina rehefa avy eo, tsy mety izany. Fa aoka mba hoe
farafaharatsiny ny antsasa-manila ny mpitsara mba tonga mifidy izay ho
filohan’ny SMM vaovao. Izay ngambany ny teniko farany Mr Abrahama Razafy fa dia
misaotra.
Eny ary, misaotra anareo nanaiky nasainy teo
amin’ny plateau-ny TV plus Madagascar amin’ity alina ity. Ampatsahivintsika fa
ny vahinintsika androany dia Andriamatoa Clément Jaona, kandida amin’ny
fifidiana filohan’ny SMM sy Ramatoa Ralaivaorison Josianne izay Filoha lefitra
ny SMM. Izay ihany koa no entina mametraka ny veloma amin’izao alina izao ary
mametraka ny veloma amin’ny manaraka indray ary. Veloma tompoko.