Tsy ekena intsony ny tsy maty manota hoy SEM Andry RAJOELINA – Reportage Kolo TV

Ny hanombohantsika ny vaovao dia nivohitra nandritra ny lahatenin’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fianianana izay nataony ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanaraha-maso ny volam-panjakana. Ny fiaraha-mientan’ny tsirairay miainga avy any amin’ny mpitondra no antoka iray lehibe amin’izany raha ny fanadihadiana natao. Henri Flore

Firenena faha 155 amin’ireo firenena 180 i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly. Isa 124 no azon’i Madagasikara amin’ny tsy fisian’ny kolikoly araka ny tatitra navoakan’ny Transparency International Initiative Madagascar farany teo. Nivohitra nandritra ny lahateny nataon’i Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fianianany nataony tamin’ny sabotsy 19 Janoary lasa teo manoloana ny ady amin’ny kolikoly, indrindra fa ny tsy hanekena intsony ny tsimatimanota eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara.

Tsy azo ekena ny fanodikodinana volam-panjakana, ka ho hentitra ary ho enjana ny sazy ho an’izay tratra manao sy hanao an’izany. Tsisy olona ho ambonin’ny lalàna intsony eto Madagasikara, na iza na iza, ho averintsika malagasy ny tena tany tandalàna. Ho ataoko laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly, tatiko ny hisin’ny fitsarana marina tsy mitanila, atokisan’ny vahoaka ary tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaham-pitsarana.

Tsy vitan’ny filoha samirery ny ady amin’ny kolikoky fa ilaina ny fiaraha-mientan’ny vahoaka sy ny mpitondra tsirairay avy. Ilaina ihany koa ny fanaraha-maso miainga eny ifotoany.

Nisy ilay fiteny hoe tsimatimanota tsimatimanota, izany hoe misy olona tsy voafehin’ny lalana izany e, izay no tena tokony ho izy. Ka raha ohatra ka tany tandalàna dia tokony ho voafehin’ny lalàna daholo ny tsirairay na iza izy na iza izy; dia mety izay an, ary izahay koa dia miady an’izay. Be dia be anie isika no miady amin’izy io fa tsy manana hery amin’izay ny sasany. Dia matoa ny fanjakana foibe izany manao an’izay, ataoko fa mety ho hiety amintsika amin’izay angamba ilay izy. Ary io fanety be mahatonga ny firenentsika hahantra, tsy tonga any amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny tokony ho any amin’ny fanjakana. Tsy afaka hanamboatra lalana antsika. Ny eto Madagasikara dia tsy misy ny, matetika adinontsika ilay fisafoana, fisafoan-draharaha, fisafoan-draharaha izany hoe inspection, izany anie, rahamisy périodique io a, dia foana tsikelikely ny kolikoly. Ny antsika anie ny zavatra alefantsika any dia tsy misy fanaraha-maso mihitsy, dia any iny dia any dia any. Raha misy izay fisafoan-draharaha matetika izay, tsy ho hisy io, mihena tsikelikely tsikelikely dia farany foana.

Nambaran’ny teo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar fa ilaina amin’izay fiadiana ny kolikoly izay ny hanomezana famantsiam-bola sy fanampiana ara-pitaovana ny rafitra misahana ny ady amin’ny kolikoly. Ilaina ihany koa ny fanamafisana ny fangarahagarahana momba ny vaovao ao amin’ny raharaham-panjakana. Hatreto mijanona ho fanontaniana mipetraka ny fandaminana sy ny fomba fiasa eo amin’ny Bianco, sy ny Pac, na ny Pôle anti-corruption ary ny Samifim, i Madagasikara anefa miharatsy toerana hatrany manoloana ny amin’ny ady atao amin’ny kolikoly, ary mijanona ho tsy misy tohiny avokoa ireo fanadihadihana momba ny raharaha goavana eto amin’ny firenena

SEM Andry Rajoelina – Takiako ny hisian’ny fitsarana marina eto Madagasikara – 19 janoary 2019

Tsisy olona ho ambonin’ny lalàna intsony eto Madagasikara, na iza na iza, ho averintsika malagasy nytena tany tandalàna. Ho ataoko laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly, takiko ny hisin’nyfitsarana marina tsy mitanila, atokisan’ny vahoaka ary tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaham-pitsarana
SEM RAJOELINA Andry – 19 janvier 2019

D’après SEM Andry RAJOELINA, retour de l’état de droit à travers la lutte contre la corruption et l’indépendance de la Justice – Les nouvelles du 21 janvier 2019

Une mise en garde ferme contre les responsables étatiques. Tel est l’un des points abordés par le nouveau Chef de l’Etat, à Mahamasina.

Le nouveau locataire d’Iavoloha va fermement mettre en garde contre les cas de détournement et de corruption commis par les responsables étatiques.

“Je n’accepterai pas le laxisme (…). Il est inacceptable d’octroyer des marchés publices fictifs”, a lancé le président de la République, en ajoutant que désormais, le détournement de l’argent public n’est plus tolérable. A ce titre, “Des sanctions sévères seront infligées aux contrevenants. Personne ne sera désormais au-sessus de la loi, quel que soit son statut”, a fait savoir le nouvel homme fort de Madagascar.

Sur ce, il a fait de son crédo le retour de l’Etat de droit, à travers notamment la lutte contre la corruption et l’indépendance de la Justice.

Filoha Andry Rajoelina – Takiako ny hisian’ny Fitsarana marina tsy mitanila – Ary tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaham-pitsarana- Inona no vaovao du 21 janvier 2019

  • Nahavelom-panantenana ny vahoaka Malagasy rehetra ny lahateny nataon’nyFilohampirenena Andry Rajoelina omaly taorian’ny fahavitan’ny fihanianany tetsyMahamasina. Hentitra sady mafonja, izay raha fehezina ny kabary nataony. Lahatenymifototra tamin’ny zavamisy marina niainana, ary iainana eto amin’ny firenena izany fa tsytoy ireo kabary misavaon-danitra. Mazava ny tenin’ny Filohampirenena, fa “haverintsika nyhasin’ny tany tan-dalàna” tsy hisy intsony manomboka eto ny olona ambon’ny Lalàna na iza,na iza izy. Nitodika tany amin’ireo mpiasam-panjakana, (mpiasam-bahoaka) ny Filohanandritra ny lahateniny, “Mba tena hiasa ho an’ny vahoka ny mpiasam-panjakana”, hoyizy,ho fanaraha-maso izany, hisy ny fametrahana sampandraharaha manokana eny anivon’nyFiadidiana ny Repoblika, handray fitarainana ny vahoaka. Ny “fitarainana voaray tsy avelaho very hanjavony fa tsy maintsy hanaovana fanadiadihana”, hoy hatrany ny voalazany.Sambany no hisy fandraisana fitarainana mivantana avy any amin’ny vahoka tahaka izany tetoamintsika. Notsindrin’ny Filoha mafy fa “tsy azo ekena mitsy ny fanararotam-pahefana mbahoentina hakana tombotsoa manokana”. Tsy ekeko ny gaboraraka hoy izy, tsy ekeko nyfandanindanim-poana ny volam-panjakana. Naveriny indroa tao anaty lahateniny mitsy nyhoe “tsy azo ekena ny fanaovana tolotr’asa tsy misy asa tanterahina akory”. Ity farany mantsydia zary lasa fomba fanao tamin’ireo Fitondrana teo aloha niofandimby ka nisy mihintsy ireotompon’andraikitra lasa miliardera noho izany fomba fanao mambotry firenena izany.Nanamafy hatrany izy fa “tsy azo ekena ny fanodikodinana volam-panjakana fa ho hentitraary ho henjana ny sary ho an’izay tratra manao an’izay”. Ataoko laharam-pahamehana nyady amin’ny kolikoly, hoy izy nanohy ary takiko ny hisian’ny Fitsarana marina tsy mitanila,hatokisan’ny vahoaka. Ary tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaham-pitsarana. Olanalehibe eto amin’ny Firenena ny tsy fandriampahalemana. Naverin’ny Filohampirenenatamin’ny lahateny indray fa mampiaikaika ny vahoaka ny fandriampahalemana ka hisyvahaolana manokana. “Hampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminanna manerana nyNosy. Vatsiana fitaovana maoderina sy manaraka ny toetrandro izy ireo mba horeharehantsika izany Foloalindahy Malagasy izany”. Araka ny teniny. Efa nampiseho nyfahavononany niasa sahady ny Filoha, ka ho fisantarana izany dia efa naseho tamin’nyvahoaka ireo santionan’ny fiara tsy laitram-bala afaka miakatra tendrombohitra ary afakamandeha anaty rano nomena ny mpitandro ny filaminana. Nampita hafatra mafonja ho an’nyFoloalindahy ny Filoha, “ho anareo Foloalindahy sy ny tompon’andraikitra ao aminy diamitaky fitondrantena mendrika aho fa ho henjana ny sazy raha misy mpitandro ny filaminanamanararao-pahefana, manao herisetra sy mampijaly ny mpiray tanindrazana na miraytsikombakomba amin’ireo olon-dratsy”.Asa fa tsy kabary.Tsy miandry ela ny fampandrosoana fa avy hatrany dia vavany. Mba hahafahanamanatenteraka ireo velirano nifanaovana tamin’ny vahoaka, dia nomen’ny Filoha lanjamanokana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Hisy ny fanovana rafitra noho izany ka hapetrakany Governora isam-paritra. “Omena lanja manokana ny Governor any Faritra kahiandriakitra mivantana ny tetikasa fampandrosoana. Izy ireo no hitarika ny fanamboaranafotodrafitrasa sy ny asa fampandrosoana nampanantenana. Omena fitaovana manokanaalohan’ny hankalazana ny fiverenan’ny Fetim-pirenena”, arak any nambarany hatrany. IreoGovernora ireo izany no tena hanatanteraka ny vina IEM ary ho isan’ireo tompon’andraikitrahanana andraikitra ny asa goavana. Mba hampahomby azy ireo amin’ny asa sahaniny diahiaraka “hivory amin’ny Filoha indray mandeha isam-bolana na isaky ny roa volana izy ireo”. Apetraka ny fanamby, hoy ny Filoha Aandry Rajoelina fa tsy maintsy mahazo izaysahaza azy ny Faritra rehetra manerana ny Nosy. Ho tohin’izay, nambarany hatrany fa hisy nyfanamboarana orinasa isaky ny Renivohi-paritany ka tsy hanafatra foana isika fa mbahanondrana amin’izay. Ho laharam-pahamehana ny “politikan’ny kibo” ka hampitomboanany velaran-tany hambolena ary hisy fanomezana fitaovana ho an’ny tantsaha. Miainga avyany ambony ohatra, hoy ny fomba fiteny. Mametraka fanamby ny Filoha Andry Rajoelina fahamerin-kasina izany toerana maha Filohampirenena izany, araka izay nambarany fa”Haverina ny hasin’ny Filohan’ny Repoblika, ho Filohan’ny Repoblika mendrika ny vahoakaMalagasy, hijoro Raiamandreny ary hihaino ny feon’ny vahoaka ary ho eo akaikin’nyvahoaka mandrakariva ny tenako”.
  • Harilaza R

Zava-bitan’i Harimisa Norovolona teo amin’ny tontolon’i Fitsarana tao anatin’ny fito volana – TVM 19 janoary 2019

Ho famerenana amin’ny laoniny ny hasin’ny fitsarana dia sarotiny ny minisitra teo amin’ny fampanajana ny fitsipika mifehy ireo mpiasa.

10 ny mpitsara nentina teo anatrehan’ny conseil de discipline, 2 no nahemotry ny conseil de discipline manaraka, ny 8 vita fitsarana tao amin’ny conseil de discipline, iray tamin’ireo no afaka nolazaina fa tsy nisy ny faute disciplinaire, ny sisa kosa dia nahazo sazy, ary nisy ary ny révocation izany. Tao anatin’ny gréffier ihany koa dia 3 ny gréffier niakatra conseil de discipline izay samy nahazo sazy avokoa izy rehetra ireo, ary ny mpandraharahan’ny fonja dia 23 ary tao anatin’izany  koa dia nisy no voaroaka. Mbola maro ny dossier teo ampelantanana izay ho alefa amin’ny conseil de discipline manaraka.

Paikady vaovao no ampiharina manodidina ny fanadinana hidirana ho mpiasan’ny fitsarana mpiandraiki-draharaha, tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly tanterahan’ny ministera izany.

Manomboka avy any amin’ny fisoratana anarana mihitsy dia efa en ligne, ary tsy hisy azo afaka hikitikitika mihitsy izay zavatra rehetra izay hatramin’ny farany, ary ny copie ary dia ho codé ary tsy afaka hivoaka ho fantatra hoe io ilay copie raha tsy mampiseho ny code ara-dalana ilay mpianatra. Ao anatin’izay ihany koa izany dia olona anakiray irery no tompon’andraikitra manomboka any amin’ny voalohany hatrany amin’ny farany. Ohatra izany hoe tale jeneralin’ny Ecole NAtionale de la Magistrature ohatrany izay hanara-maso fa tsy afaka hanao manipulation mihitsy ao amin’ilay stade-ny resaka informatisation. Zava-dehibe koa tao anatin’izay rehetra rehetra izay ngambany dia niady tamin’ny kolikoly izay nametrahana ny toeran’ny Pole anti-corrruption, ny cours spécial bois de robe et bois d’eben.

Maro ny famerenana ny foto-drafitra’asa nandritra ny 7 volana naha teo ity minisitra ity toy ny hita etsy amin’ny fitsarana antampony sy ny fitsarana ambaratonga voalohany  eto Antananarivo

Harimisa Norovololona no namerina ny hasin’ny Fitsarana eto Madagasikara – La gazette de la grande île du 19 janvier 2019

Misy ny manakiana anay eto amin’ny La Gazette de la Grande ile, ary isan’ny fanamarihana entin’ny olona sasany amin’ity Gazety ity ny hoe “manakiana hatrany an’izay mpitondra nitantana teto ary tena henjam-piteny ny La Gazette de la Grande Ile”.

Eny Tompoko, izay no maha-tsindrilentam-pahefana ny gazety, ary ankoatra izay dia tarigetranay eto ny mametraka ho aro fanina sy ho fanitsiana ny mpitondra mety hihoa-pefy na hibirioka amin’ny lalana tsy tokony halehany.

Ireharehanay mihitsy izany fa tsy henatra akory.
Na izany na tsy izany, miezaka hatrany kosa izahay manasongadina ny zavatra tsara, saingy matetika dia toa tsy tsikaritra ny maro.
Amin’izao governemanta Ntsay Christian izao, ohatra, dia isan’ny hitanay fa mendrika raha asongadina ny fahamatorana vitan’ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sady minisitry ny Fitsarana, Rtoa Harimisa Norovololona.

Maro ny fianakaviamben’ny fitsarana, na mpitsara na mpiraki-draharahm-pitsarana na mpiaro mpisolovava , na vadin-tany, na ny mpandraharahan’ny fonja, na ny olona manan-draharaha eny amin’ny fitsarana, eny ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena mihitsy, no mahatsikaritra sy mahatsapa fa nanao ezaka ho amin’ny fanarenana ny hasin’ny fitsarana izy. Tsy hoe efa tontosa 100% ny famerenana ny hasin’ny fitsarana amin’izao fotoana fa azo tsapain-tanana kosa ny firosoana mankany amin’izany. Isan’ny hita misongadina amin’izany ny fisorohana ny kolikoly, na amin’ny raharaham-pitsarana na ny fifaninanana handraisana ho mpianatra mpitsara na ny ho mpianatra ho mpiraki-draharaham-pitsarana, sy ny sehatra hafa.
Tsy midika akory izany fa foana ny kolikoly eo amin’ny raharaham-pitsarana, fa hita fototra kosa ny fanombohan’ny fahitana vokatsoa amin’izany.
Dia vantanina ny resaka fa raha misy ny ho fanavaozana ny mpikambana ao amin’ny governemanta dia rariny raha mbola homena fitokisana Rtoa minisitra ankehitriny, Norovololona Harimisa e!

Tsy afenina koa mantsy fa tsy vitsy ny olona no manahy sao sanatria ka hiverina hahazo sehatra eo anivon’ny tontolon’ny raharaham-pitsarana ny efa zatra nanao kolikoly sy be afera hatrizay, ka sanatriavin’ny vava, ho maty momoka ny ezaka ho famongorana ny kolikoly.

Hatramin’ny filofosana hamita ireo antontan-taratasy natory sy tsy nisy nikitika hatrizay ao anivon’ny fitsarana no hita fa ezahina nofohazina tamin’izao fotoana nitantanan-dRtoa Minisitra Norovololona Harimisa izao. Tsy midika koa izany fa efa voakirakira avokoa ireo antontan-taratasy tsy voakitika nandritra ny 20 na 15 taona fa mba efa miezaka ny hanao izay tratra mba hanajana ny zon’olombelona e!

Koa raha misy ny fiheverana ny maha-zava-dehibe ny fampanjakana ny antsoina hoe “tany tan-dalàna” dia aoka mba ny fitsarana no homena ny hasiny voalohany satria io no antoky ny tany tan-dalàna. Tsy ho sarotra ny hahatrarana izany tarigetra izany raha olona mijoro amin’ny maha-izy azy araka ny fenitry ny fitsarana, toa an-dRtoa Norovololona Harimisa no mitarika ny ezaka ho amin’izany, ary ny irian’ny maro dia hiova tsy ho ela hanara-dia ny toe-tsaina ananan’ity minisitra ankehitriny ity ny fianakaviamben’ny fitsarana amin’ny ankapobeny, izay tsorina koa fa maro no efa tratry ny fahalovana amin’ny endriny maro. Mbola marina mandrakariva koa mantsy ilay oha-pitenenana hoe “ny tarehy ratsy no tsy azo ovaina fa ny toetra na fahazaran-dratsy azo ovaina tokoa”.

Ralay

Bianco – Le dossier Mbola Rajaonah bouclé d’ici quelques jours – Midi madagasikara du 18 janvier 2019

L’atelier a vu la participation du ministère de l’Intérieur et de la Décentralisation, du BIANCO, du PRODECID-GIZ et de la société civile.

En marge de l’atelier de restitution du rapport sur l’analyse de risques de corruption dans la mise en œuvre de la décentralisation qui s’est tenu, hier, au DLC Anosy, le DG du Bianco Jean Louis Andriamifidy a parlé notamment de la lutte contre la corruption ainsi que de certains grands dossiers qui sont en leur possession. Sur ce dernier point d’ailleurs, le DG du Bianco de souligner que pour le cas de Mbola Rajaonah, « le dossier aurait dû être bouclé au mois de décembre mais il y avait eu la vacance judiciaire. Nous sommes en train de finaliser le dossier et que ce serait fait cette semaine ou en début de la semaine prochaine. Il sera transmis par la suite à la justice ». Bref, les enquêtes seront terminées d’ici quelques jours. Jean Louis Andriamifidy a tenu également à souligner qu’il y avait ceux qui confondent les affaires judiciaires et le volet politique. Quant à l’affaire de Claudine Razaimamonjy, le DG de mentionner tout simplement, bon nombre de dossiers ont été remis au Pôle anti-corruption.

Balise. Pour en revenir à l’atelier, le SG du ministère de l’Intérieur Celestin Rasolomaholy Rakotozanany qui a représenté le ministre, a fait savoir qu’à chaque transfert financier, au niveau des collectivités territoriales décentralisées, les citoyens devraient être informés, soit par affichage soit par le biais d’un sit-web . Une façon de mettre une balise pour limiter la corruption. Pour sa part, le directeur du projet PRODECID-GIZ Florian Garcia de déplorer que « dans le secteur de la décentralisation, il y a beaucoup de cas de corruption, notamment dans le transfert financier vers les Collectivités territoriales décentralisées ».  Et d’ajouter qu’il revient au ministère de l’Intérieur de procéder au suivi des subventions.

Contre la corruption. Toujours est-il que cet atelier s’inscrit dans la poursuite des engagements du ministère de l’Intérieur et de la Décentralisation dans la lutte contre la corruption, en application des dispositions de la loi anti-corruption 2016-020 du 22 août 2016. Le rapport restitué, hier, fait état de la cartographie des risques de corruption dans le secteur de la décentralisation et propose de pistes de recommandations ainsi qu’un plan d’action tendant à réduire ces fléaux.

Dominique R.

Ady amin’ny kolikoly – Ho raikitra ny fitsarana an’ireo mpitondra ambony sy mpandraharaha maromaro – Ao raha 18 janoary 2019

Ho raikitra ny fitsarana an’ireo mpitondra ambony sympandraharaha maromaro.Atolotra ny Fitsarana ireo voarohirohy. Hisesisesy ny fotoam-pitsarana an’ireo olom-panjalana ambony sy mpandraharaha maromaro voasaringotra amina raharaha kolikoly.Araka ny tatitra nataon’ny tale jeneralin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly(Bianco) Jean-Louis Andriamifidy, tetsy Anosy, omaly, dia saika efa vita avokoa nyfanadihadihana momba an’ireo raharaha goavana tonga teto ampelatanan’izy ireo. “Alefa anyany amin’ny Fitsarana manokana misahana ny kolikoly (Pac) amin’izay ireo raharahra ireo”,hoy izy.Efa tamin’ny faraparan’ny taona 2018 no nanatanterahan’ny Bianco ny fanadihadihanasy ny famotorana an’ireo manam-pahefana sy mpandraharaha voasaringotra amina resakakolikoly, saingy noho ny fisian’ny fotoam-pialan-tsasatry ny Fitsarana nanomboka ny 15Desambra 2018 ka hatramin’ny 15 Janoary 2019 lasa teo, dia izao vao atolotra an’ireompitsara eo anivon’ny Pac ireto raharaha goavana maromaro ireto.”Mbola misy ihany koa ireo raharaha hafa tokony hatolotra ny Pac ary efa eo am-pamaranana ny famotorana izahay” hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Bianco. Isan’ny raharahrahampiakarin’ny Bianco eo anivon’ity Fitsarana ity ny momba an’ireo mpandraharaha miisaroa, dia i Mbola Rajaonah sy i Claudine Razaimamonjy.Tsy hijerena tavan’olonaNohitsian’ny tale jeneralin’ny Bianco fa tsy hijerena tavan’olona na hampidirana resakapolitika ny fitsarana an’ireo mpan- draharaha miisa roa ireto. «Miezaka manao fanadihadianaamin’ireo tranga rehetra voaray izahay. Tsy hanavahana clona izany ary matetika dia misy nymanafangaro ny politika sy ny lalàna. Na inona na inona no mitranga, na misy aza nyfifandimbiasan-toerana eo amin’ny fitantanana ny firenena dia tohizana foana ny asa tokonyhataon’ny Bianco », araka ny fanazavana noentin’i Jean Louis Andr iamifidy, izay sadynanamarika fa amin’ity faran’ny herinandro ity, na amin’ny fiandohan’ ireo herinandro ambonyio, no hampiakarana ny raharaha mikasika an’ireto mpandraharaha ireo eny amin’ny Pac.Ankoatra an’izany, raharaha dimy goavana izay efa nanaovan’ny Bianco fanadihadianano hiakatra Fitsarana, ato ho ato. Isan’isany ny voa laza fa firaisana tsikombakomba nataonamanampahefana ambony tamin’ny famoahana volam-panjakana tsy ara-dalàna. Eo ihany koany fandoavam-bola indroa miantoana tamina asa iray, ary ny voalaza fa fisiana kolikolynandritra ny fanadinam-panjakana hidirana ao amin’ny sekolim-pirenena fanofanana hompitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG).Fantatra fa voaroh irohy ireo mpiasa maromaro eo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana. Eo ihany koa ireo olom-pirenena tsotra sy mpandraharaha hafa voampanga aminaraha- raha kolikoly. Mahatratra hatramin’ny 42 000 tapitrisa ariary ny fitambaran’ny volavoahod inkodina amin’ireto raharaha miisa dimy goavana nanaovan’ ny Bianco fanadihad ianaireto,izay hatolotra ny Pac ihany koa.Juliano Randrianja

Fiahiahiana kolikoly sy hosoka – Hiakatra fitsarana ny raharaha Mbola Rajaonah – Taratra du 18 janoary 2018

Vaovao maro mpanaraka. Nivoaka amin’ny fanginany ny eo anivon’ny Bianco kanilazalaza ny momba ireo antontan-taratasy eo an-tanany amin’izao fotoana izao.Anisan’izany ny «Raharaha Mbola Rajaonah».Efa halefa eny amin’iny fitsarana tsy ho ela ny momba ny « Raharaha MbolaRajaonah » … Mitohy hatrany ny asanay na eo aza ny fiovan’ny fitondrana sy ny resakapolitika », hoy ny tale jeneralin’ny Bianco, Andriamifidy Jean Louis, omaly tetsy Anosy.Nanteriny fa efa nandalo fanadihadiana, ny 15 desambra teo , ity mpandraharaha ity. Niatoizany noho ny fotoam pialan-tsasatry ny fitsarana. Efa miverina miditra miasa ny eoanivon’ny fitsarana amin’izao fotoana izao. “Eta eo am-pamaranana ny antontan-taratasymomba io raharaha io izahay amin’izao fotoana izao ary hatela tsy ho ela any amin’nyfitsarana izany avy eo reheta vita ny tamotorana rehetra”Anisan’ny maha voarohirohy ity tandapa teo aloha ity ny hosoka sy kolikoly. Mazavany nambaran’ny Bianco fa tsy anavahana na iza na iza ny fampiharana ny lalàna. Tsy misyidiran’ny resaka politika na koa fifandimbiasan-toerana eo amin’ny mpitondra izany. “Raharaha Razaimamonjy Claudine”Ankoatra izany, efa maromaro ireo antontan-taratasy ho an’ny taona 2018 eo an-tanan’ny Bianco.”Efa mamarana ny momba ireny izahay izao. Anisan’izany ny momba ny”Raharaha Razaimamonjy Claudine” sy ny hata. Halefa eny amin’ny Fitsarana misahana nyady amin:ny kolikoly (Pac) izany reheta vita”, hoy ihany izy.Notsiahivin’ny eo anivon’ny Bianco fa tsy manao fanenjehana izy ireo, saingy manaony famotorana momba ny resaka kolikoly. Manao ny asany araka ny tokony ho izy koa izyireo na eo aza ny tsindry samihafa , indrindra amin’ny haino aman-jery.Synèse R.