9 C
Londres
jeudi, janvier 15, 2026
AccueilDysfonctionnement de l'appareil judiciaire malgacheNy mpitsara dia mitsara araka ny lalàna fa tsy araky ny baiko...

Ny mpitsara dia mitsara araka ny lalàna fa tsy araky ny baiko azony avy any amin’ny exécutif – Jaona Clément SMM DON DRESAKA DU 07 AVRIL 2019 BY TV PLUS MADAGASCAR 1

Date:

Related stories

spot_imgspot_img

Dia misaotra anareo TV Plus nanasanay teto mikasika ny toe-draharaha nafanapana tamin’ity herinandro ity. Ny fomba hamintinako azy dia ohatran’izao, ny mpitsara dia mitsara araka ny lalàna fa tsy araka ny baiko. Izay izany no teny ho entiko hamaranana ny teny. Ary manarakan’izay, mba tokony ho hisy ny fahaizany mihaino ny mpitondra sy ny mpampiasa, ary ny fitazonana ny teny nomena. Ny raharaham-pitsarana tompoko, tsy ny vahoaka eto ihany anie no mitsara e, ary amin’izao fotoana izao ny fitsarana dia efa voatsikera amin’ilay hoe nahoana ny any amponja no tsy voatsara no bebe nohon’ny olona voatsara. Ary tsy eto an-toerana ihany na any ivelany, tsy maitsy mbola hanazava mikasika izay tsy fitovian’ny pourcentage izay ny minisitry ny fitsarana amin’ny conference intérnationale. Ary ny zavatra misy eto izany, raha mbola misy ny zavatra ohatran’ireny, na ny mpampiasa vola amintiska eto ary mety hanaiky molotra mahita ny fomba ataon’ny excecutif amin’ny raharahaùm-pitsarana, ka ny zavatra misy izao hitsikerana ny mpitsara dia hoe nahoana ny MD systématique, satria ny foto-kevitra dia ny hoe liberté ny principe, exception ny détention, amintsika eto Madagasikara izay efa mifamototra. Ny olona rehetra rehetra izay mitory dia eritreretina fa rehefa mitory izy dia tokony higadra daholo ny olona, foto-kevitra tsy maintsy hajaina izany ary hitsarana ny firenena Malagasy eo anivon’izao tontolo izao ka mankasitraka antsika rehetra naharitra nihaona. Misaotra indrindra tompoko.

Subscribe

- Never miss a story with notifications

- Gain full access to our premium content

- Browse free from up to 5 devices at once

Latest stories

spot_img