8.9 C
Londres
jeudi, janvier 15, 2026
AccueilCorruption MadagascarMadagascar - SMM Olona tokony mitsinjo ny mpitsara no hatao minisitra -...

Madagascar – SMM Olona tokony mitsinjo ny mpitsara no hatao minisitra – Taratra 7 mars 2018

Date:

Related stories

spot_imgspot_img

Nanano fanambarana ho an’ny mpanao gazety omaly ny sendikan’ny mpitsara malagasy (SMM) manoloana ny toe-draharaha mafampana, indrindra fa amin-dry zareo mpitsara. Nilaza ny SLL, tamin’ny alalan’ny filohany, Erinaivo Faniry, fa tokony olona mitsinjo marina ny tombotsoan’ny mpitsara no tendrena ministra. « Ny olona efa akaiky hisotro ronono, tsy mitsinjo ny tombotsoa iraisan’ny mpitsara. Ekenay ihany koa fa tokony hitovy avokoa ny mpitsara rehetra eo amin’ny fampanajana lalàna sy lafiny fanenjehana, saingytokony mba hajaina ny fepetra mifanaraka amin’nyizany », hoy ny fanazavana.

Mitaky ny fanaovana fanadihadiana lalina momba ny « Raharaha Houcine Arfa » koa izy ireo ka tokony ho fanadihadiana mahaleo tena izany fa tsy ny ao amin’ny ministera ihany no hanao izany.

Ity resaka farany izay nilazan’ny avy amin’ny ministeran’ny fitsarana ka hita fa tsy marina ny filazan’i Houcine Arfa fa nandray volabe taminy izy. Ny Bianco anefa, etsy andaniny, vao hanao fanadihadiana ity ministra ity. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Yves S

Subscribe

- Never miss a story with notifications

- Gain full access to our premium content

- Browse free from up to 5 devices at once

Latest stories

spot_img