9 C
Londres
jeudi, janvier 15, 2026
AccueilNEXTHOPEKolikoly ao amin’ny Fitsarana : Tsy ny mpivaro-kena no mpamoaka didim-pitsarana fa...

Kolikoly ao amin’ny Fitsarana : Tsy ny mpivaro-kena no mpamoaka didim-pitsarana fa ny Mpitsara – Gazety Triatra

Date:

Related stories

spot_imgspot_img

Manome folo andro ho an’ny fitondram-panjakana hono ry SMM raha tsy izany dia hiroso amin’ny fanaovana grevy faobe tsy manam-pahataperana. Fitakiana ny fahaleovantenan’ny Fitsarana hono no angatahan’izy ireo amin’izany. Inona marina moa ity hoe fahaleovantena takian’ny SMM ity?

Ny kolikoly mampiteny ny moana ao amin’ny Fitsarana no marary amin’ny vahoaka. Banky rompotra mihitsy izay manan-draharaha manerana ny Tribonaly eto amin’ny Nosy. Toraka izany koa ny fitsaram-bahoaka vokatry ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny Fitsarana. Maro loatra ny aina nafoy sy ny rà latsaka vokatr’izany. Iza anefa no mpamoaka didy ao amin’ny Fitsarana?

Sa sanatrian’izany hilaza indray koa ny SMM fa ny mpivaro-kena na ireo vehivavy mpanao masazy no mamoaka ireny didim-pitsarana ireny? Tsia! ny mpitsara no mpamoaka didim-pitsarana izay midika fa mpitsara koa no manao kolikoly ao amin’ny Fitsarana. Io kolikoly ao amin’ny Fitsarana io no marary amin’ny vahoaka ka tsy tokony hanadio tena ny mpitsara na hitady olona hafa hanilihana ny rihatra.

 

Subscribe

- Never miss a story with notifications

- Gain full access to our premium content

- Browse free from up to 5 devices at once

Latest stories

spot_img