8.9 C
Londres
jeudi, janvier 15, 2026
AccueilLa Haute Cour de la Justice favorise l'impunitéLa Haute Cour de la Justice favorise l'impunité d'après le président du...

La Haute Cour de la Justice favorise l’impunité d’après le président du SMM Jaona Clément – Viva du 4 juin 2019

Date:

Related stories

spot_imgspot_img

Mila foanana ny fitsarana ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice), izay natao hitsarana ireo olom-panjakana ambony, toy ny filoham-pirenena, filohana andrim-panjakana, praiminisitra, minisitra, raha ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) Atoa Clément Jaona. Betsaka loatra sy sarotra ny andininy tsy maintsy arahina (procédures), toy ilay resaka fahazoan-dalana avy amin’ny depiote maro an’isa eny Tsimbazaza, ka toa very maina sy tsy tontosa ny fanenjehana. Ny andininy faha-133 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra ny tsy maintsy hakana tsodrano sy alalana amin’ny antenimieram-pirenena ka vao ny ao no manda dia rava naman’ny midaboka. Noraisiny ho ohatra ny raharaha mahasaringotra ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier izay tsy nisy tohiny intsony. Ny olona rehetra voarohirohy dia tokony hafahana avokoa satria ny tompon’antoka voalohany na ny “auteur principal” tsy migadra, hoy Atoa Clément Jaona. Tsy tokony hisy mihitsy izany « juridiction spécialisée », ka nilazany ny tokony hanovana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna mikasika ny HCJ tsy hifanitsaka amin’ny antenimieram-pirenena raha tsy foanana. Dosie 14 no eo am-pelatanan’ny HCJ, saingy tsy misy tohiny hatreto.

Toky R

Désolé, vous n'avez encore ajouté aucune histoire

Subscribe

- Never miss a story with notifications

- Gain full access to our premium content

- Browse free from up to 5 devices at once

Latest stories

spot_img