Andramena sy volam-panjakana, anaran’ireo olona 30 mety ho samborina – La gazette de la grande île du 20 février 2019

Mbola mitana ny resaka eto amin’ny firenena ny mahakasika an’i Eddy sy Mbola Rajaonah izay voasambotra ny herinandro lasa teo ka napetraka vonjy maika ao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, miandry ny fitsarana azy.

Tsy ireo irery nefa no anarana mandehandeha any rehetra any fa mety hisy koa ny fisamborana sy ny fanadihadiana azy ireny mahakasika ny raharaha andramena na ny “bois des roses” izany.

Efa anarana malaza hatramin’ny ela mahakasika ity andramena ity no miseho masoandro indray ankehitriny. Efa hatramin’ny taona 2009 ka hatramin’izao fotoana izao ny sasany amin’izy ireo.Olona avy any Antalaha sy Sambava ary Toamasina izy ireo.

Mandehandeha ny anaran’i Anona Etienne, Bekasy, Bematana Martin, Betsiarona Jean Golbert, Bezokiny Christian Claude, Body Thierry, Chan-Hoy Lané Kara, Laisoa Jean Pierre, Lalohely Jean Michel, Mbotofeno Sao Kune, Guerra William,  Ndahiny Grégoire, Patricia Soa, Rakotoarivony Nosy Arivony, Ramiarison Arlan, Ranjanoro Jeannot, Rasoanirina Josephine, Sam Som Mioch, Soa Elia Rolaine, Thunam Roger, Totobe Eric, Super wood.

Hisy marina ve ny fanadihadiana azy ireto sa hijanona amin’i Eddy sy Mbola Rajaonah ihany ny raharaha ity hoy ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena ankehitriny?

Eo amin’ny fanodinkodinana volam-panjakana indray dia miandry mafy ny fanadihadiana an’i Solonandrasana Olivier Praiminisitra teo aloha sy ny minisitra maromaro koa ireo mpanara-baovao. Mahakasika ny tolotrasa tao amin’ny ministera no tena ahafantaran’ny maro io raharaha fanodinkodinana volam-panjakana io toa ny raharaha Ambohimahamasina sy ny kaominina maro hafa. Ramatoa Razaimamonjy Claudine no natao sorona amin’ity raharaha ity. Miampy azy ny ben’ny tanànan’Ambohimahamasy Tsabo Pierre ary ny ben’ny tanànan’ Ialanindro.

Fantatra nefa fa olona maro no niray tsikombakomba tamin’izy ireo.

Manara-maso akaiky ireto raharaha ireto ny ankamaroan’ny mpanao pôlitika sy ny olom-pirenena maro.

JB

Raharaha Hugues Ratsiferana voasazy herintaona an-tranomaizina sy Mbola Rajaonah namaeina ilay mercedès blindée – KOLO TV du 20 février 2019

Herinandro taorinan’ny fotoam-pitsarana, nivoaka io maraina io ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha Hugues RATSIFERANA, mpanolo-tsaina manokan’ny Filohan’ny repoblika teo aloha sy Harivelo Niaina Tantely. Sazy mihatra heritaona an-tranomaizina sy lamandy 5 tapitrisa ariary, izay ny valin’ny didim-pitsarana. Manana 10 andro ity farany raha manam-pikasaha hampiakatra ny raharaha. Raha tsahiviny, fanodikodinana ny fananam-panjakana, izany hoe fakana sy fitaomana fananam-panjakana tsy nierana sy tsy nahazoana alalana, izay amin’ny ankapobeny no niapangana azy ireo. Ankilan’izay kosa dia mitohy ihany koa ny raharaha Mbola Rajaonah, raha toa ka mbola miandry ny fotoam-pitsarana eny Tsiafahy ity mpanolon-tsaina manokan’ny Filohan’ny repoblika mivady teo aloha ity. Fantatra amin’izao fa taorinan’ny fitoriana napetraky ny fiadidian’ny repoblikan’ny Madagasikara ny zoma teo, naverin’ny Mbola Rajaonah ny fiara limousine Mercedes blindé S600, ity fiara ity izay niniany notazominy sy nafeniny na efa niova aza ny Filohan’ny repoblika. Raha ny fanadihadiana natao hatrany, tsy io ihany no fitaovam-panjakana tsy hita eo anivon’ny fiadidianan’ny repoblika sy ireo andrim-panjakana hafa. Andrasana arak’izany ny tohin’izay.

Afrobaromètre 2018 sur la corruption à Madagascar – 69% de la population craignent des représailles après dénonciation – Midi madagasikara du 20 février 2019

Le bureau d’études COEF Ressources a présenté les résultats des sondages d’opinion dans le cadre de l’Afrobaromètre Round 7, hier, à l’hôtel Colbert Antaninarenina.

Des enquêtes réalisées entre le 20 janvier 2018 et le 3 mars 2018 et qui ont été axées sur la corruption, la démocratie, le genre et l’accès aux services de santé. 100 questions ont été posées à 1 200 échantillons (80% dans les zones rurales et 20% dans les zones urbaines) et les résultats ont été traités avec une marge d’erreur de plus ou moins 3%. Concernant principalement la corruption dont la lutte demeure un défi herculéen, 44% des personnes interrogées estiment que les gendarmes et les polices sont les plus corrompus, 39% pensent aux juges et aux magistrats, 31% aux parlementaires et 18% aux hommes et femmes d’affaires. Des classements qui n’étonnent presque pas, compte tenu des différentes affaires de corruption révélées, exhibées ou constatées en 2018 dans les concours administratifs, au sein de la Justice, de l’Assemblée Nationale et/ou émanant des soi-disant femmes/hommes d’affaires proches du régime de l’époque. Par ailleurs, en ce qui concerne le Bianco (Bureau Indépendant Anticorruption), si 10,4% de la population jugent « pas très probable » le fait de faire réagir ce bureau après signalement d’un cas de corruption, 87% affichent un certain degré d’optimisme en ayant répondu que ce sera une action « quelque peu probable ou très probable ». Mais ce n’est pas tout. Les enquêtes ont révélé que 69% de la population « ont peur » des « représailles ou d’autres conséquences » après dénonciation, justement, d’un cas de corruption.

Aucune recommandation. Ketakandriana Rafitoson, le Directeur Exécutif de Transparency International Initiative Madagascar (TI-IM) a posé une question sur les raisons pour lesquelles la population craint lesdites représailles. « Nous nous focalisons uniquement sur les données quantitatives », répond le COEF Ressources. Ce qui est dommage. Mais toujours dans cette optique, le but des sondages et enquêtes réalisés par COEF Ressources est « de comparer les données entre les pays (ndlr : 37 pays) et de diffuser les résultats auprès de la population, de la presse et des décideurs. Une fois que nous terminons les études, notre travail s’achève là. Nous ne formulons aucune recommandation », précise une responsable au sein du COEF Ressources. Quoiqu’il en soit, les chiffres qu’ a fournis ce bureau d’études permettent aux dirigeants actuels de renforcer, par exemple, la protection – que ce soit au niveau du droit positif ou au niveau pratique – de ceux et de celles qui dénoncent les actes de corruption, outre la lutte qui figure au troisième point de la Politique Générale de l’Etat (PGE).

Aina Bovel

Tsy ampy ny mpandraharaha ny fonja eto Madagasikara hoy ny ministeran’ny Fitsarana – Kolo Tv du 20 fevrier 2019

Manodidina ny resaka fonja izay hatrany dia lesoka goavana ary miteraka fahavakisan’ny fonja matetika eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny mpiambina, izay raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny fitsarana tamin’ity androany ity. Michella Ranarijaonina

Tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny zava-mitranga eny anivon’ireo fonja eto Madagasikara, ohatra amin’izany eo amin’ny resaka fiambenana ny voafonja. Tsy ampy ny mpiambina na ny mpandraharaha ny fonja. Antony iray mahabetsaka ny fonja vaky raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny fitsarana.

Marina dia marina tokoa hoe misy ny lesoka mahakasika ny fahavakian’ny fonja, raha ny totalin’ny voafonja rehetra rehetra eto Madagasikara moa izany no lazaina dia eo amin’ny 22 000 any ho any. Nefa raha ny mpiandry fonja izany an araka ny tatitra voaray dia any amin’ny mpiandry fonja 1 ho an’ny voafonja any amin’ny 20 any ho any ngamba hoe lesoka ngambany izay hoe tsy ampy ny recrutement ireo mpandraharahan’ny fonja izay hiambina an’ireto voafonja ireto.

Ankoatran’ny tsy fahampian’ny mpiambina eny anivon’ny fonja tahakan’ny zava-nitranga tao amin’ny fonjan’ny Tsiroanomandindy, tsy ampy ihany koa ny atontan-taratasy hahafahana mamantatra ireo gadra tafatsoaka, vokatry ny tsy fahampian’ny mpiasa eny anivon’ny fonja izay miteraka tsy fahanaraha-maso ireo olana rehetra ireo, raha ny fanadihadiana natao. Ho an’ny raharaha fonjan’ny Tsiroanomandidy, mitohy ny fanadihadihana rehetra hoy ny eo anivon’ny ministeran’ny fitsarana.

Aiza ho aiza amin’izao ilay raharaha Tsiroanomandidy?

Raharaha Tsiroanomandidy, efa misy ny fepetra izay noraisin’ny ministeran’ny fitsarana, efa nohamafisiko araka ny voalazako teo ny sécurité-ny fonja any Tsiroanomandidy amin’izao fotoana izao. Efa manao ny asany ihany koa ny mpitandron’ny filaminana rehetra rehetra any sy izay misy moa ny atao groupe volant d’intervention rapide izay aty amin’ny fandraraharahana ny fonja, dia efa nandefa izay ihany koa ny avy ao amin’ny ministeran’ny fitsarana hanamaro isa ireo miaramila sy zandary izay manao ny recherche sy ny capture an’ireo voafonja rehetra rehetra nilefa ireo.

Raha tsahivina, tafiditra tanteraka ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny fanavaozana ireo fonja eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fananganana fonja vaovao fa eo ihany koa ny fanatsarana ny fiaraha-monina eny anivon’ireo fonja manerana an’i Madagasikara

Corruption à Madagascar : gendarme – police – justice, le tiercé gagnant – Expressmada du 19 février 2019

L’enquête Afrobaromètre a sorti les résultats au titre de l’année 2018. Les trois secteurs liés à la sécurité sont pointés du doigt.

Perception. Les forces de sécurité doivent redoubler d’efforts. Près d’un  Malgache  sur deux estime que les policiers et les gendarmes sont impliqués dans des affaires de corruption.

Hier, à Antaninarenina,  les résultats d’Afrobaromètre  Round 7 au titre de l’année 2018 ont été présentés. Il s’agit d’une enquête d’opinion menée entre janvier et mars 2018. Concernant la corruption, les policiers et les gendarmes se trouvent en tête de liste.

« Ils sont les premiers à être pointés du doigt mais la corruption concerne d’autres sphères »,   explique   Laeticia   Razafimamonjy,  responsable   d’Afrobaromètre.

Sur un échantillon de mille deux cents individus,  les résultats de cette enquête est à prendre avec des pincettes. « Un échantillon de cette taille donne des résultats au niveau du pays avec une marge d’erreur de 3% », rapporte le communiqué.

Comme il s’agit d’une photographie de l’opinion entre janvier et mars 2018, les résultats exprimés sont à relier au contexte de cette période ainsi que  la façon dont les questionnaires ont été administrés. Concernant les juges et les magistrats, à titre d’illustration, cette période correspond,  en effet, à la cavale du franco-algérien Houcine Arfa.

Réformes

Une affaire qui a ébranlé la Justice malgache. Par ailleurs, cette période correspond également au triste anniversaire de l’affaire Antsakabary.

« Selon vous, combien de personnes sont impliquées dans des affaires de corruption ou n’en avez-vous pas suffisamment entendu parler pour vous prononcer ? ». Telle est  la manière dont la question a été posé. Ainsi une liste de dix fonctions est énumérée. En tant que fonctionnaires de proximité, il est évident que les policiers et les gendarmes sont les plus sollicités.

Les agissements des polices de la route sont les cas les plus fréquents. Cette situation semble être confirmée par les statistiques publiées par le Bureau indépendant anti-corruption. Le nombre de doléances reçues par le Bianco concernant cette période rapporte que trois gendarmes et un policier ont été poursuivis pour corruption. Les membres du gouvernement ont détenu le triste record.

Les efforts  d’assainissement  menés  par  les différents  responsables  n’ont  pas atteint  la perception de  la population sur ces deux corps de métiers. « Cent quatre-vingt-quinze plaintes ont été reçues impliquant certains de nos hommes.  Quarante-huit ont comparu devant le conseil d’enquête et vingt-trois ont été radiés », indique la gendarmerie dans son bilan pour l’année 2018.

Actuellement, un service de doléance est mise en place au sein de la gendarmerie. Le ministère de la Justice a également enclenché une série de réforme. L’impact de ces mesures est attendu sur le prochain classement de l’Afrobaromètre.

Andry Rialintsalama




Nihabetsaka ny kolikoly eto Madagasikara tamin’ny taona 2018 ka anisany izany ny ao amin’ny Fitsarana hoy ny Afrobaromètre 2018 -LE JITE DU 19 FEVRIER 2019

Namoaka ny valin’ny fanadihadihana izay nataon’izy ireo ho an’ny taona 2018 novalin’ny Coeff ressources izay solontenan’ny afrobaromètre eto Madagasikara.

Eo amin’ny sehatry ny kolikoly dia nambaran’ireo olona nohadihadihana fa ny polisy sy ny zandary ary ny fitsarana no lohalaharana amin’ny sehatra asa tena misy izany. Nanontaniana ihany koa ny fahitan’ny olona ny demokrasia eto amintsika sy ny sehatra hafa toy ny miralenta. Mitatitra amintsika ny vaovao momba izay i Andry Lalaina Andriamasy sy Stephan Rakotomalala.

Tamin’ireo olona niisa 1200 nanerana ny Nosy, nanontaniana mahakasika ny fahitan’izy ireo ny sehatra asa hisian’ny kolikoly eto amintsika; dia nitana ny lohalaharana tamin’izany ireo mpitandron’ny filaminana, nahitana ny polisy sy ny zandary, ary koa eny anivon’ny fitsarana.

Nanontaniana teo dia hoe nanolotra kolikoly ve ianao mba hafahanao miala amina olana mety hiseho, izay anankiray. Na hoe nanolotra kolikoly ve ianao mba azahoana services izany na tamin’ireo zandary ireo na ireo mpitandron’ny filaminana ireo. Ireo izany aloha ny sehatra anankiroa nisehoan’izay kolikoly izay. Eo ihany koa izany ny eo amin’ny resaka fitsarana na ireo olona manodidina izany lafiny fitsarana izany. Ireo izany anisany ihany koa voatondro molotra amin’izay lafiny izay. Izany tsy midika fa any amin’ny sehatra hafa tsy misy, satria voateny tao avokoa na ny amin’ny parlementaires ohatra na ny amin’ny sehatra ohatra hoe any amin’ny fitondram-panjakana rehetra any na ny présidence na ny governemanta izany.

Ankoatrany kolikoly dia nanaovan’ny Coeff ressources izay solontenan’ny afrobaromètre eto amintsika fanadihadihana ihany koa ny fahitan’ireo olona ireo izay maha-solontena ny vahoaka Malagasy ny fitrangan’ny deokrasia eto Madagasikara.

Implication des institutionnesls malgaches dans les affaires de corruption : 44 % pour les forces de l’ordre, 39 % pour les magistrats – D’après les chiffres de l’Afro baromètre 2019 round 7

7ème Tour d’Afrobaromètre Résumé des Résultats de Madagascar, 2018 Afrobaromètre est un réseau de recherche pan-africain et non-partisan qui mène des enquêtes d’opinions publiques sur la démocratie, la gouvernance, les conditions économiques, et d’autres questions connexes dans 37 pays en Afrique. Six séries d’enquêtes ont été réalisées entre 1999 et 2015, et les enquêtes de la Série 7 sont réalisés entre 2016 et 2018. Afrobaromètre mène des entretiens en face-à-face dans la langue du répondant avec des échantillons représentatifs à l’échelle nationale de 1200 à 2400 répondants. Afrobaromètre est conduit par un réseau de spécialistes africains des sciences sociales. La coordination des activités est assurée par le Centre pour le Développement Démocratique (CDD) au Ghana, l’Institut de Justice et de la Réconciliation (IJR) en Afrique du Sud, l’Institut de Recherche Empirique en Economie Politique (IREEP) au Bénin, et l’Institut de Recherche pour le Développement (IRD) à l’Université de Nairobi au Kenya. L’Université d’Etat de Michigan (MSU) et l’Université de Cape Town (UCT) fournissent de l’assistance technique au projet. L’équipe Afrobaromètre à Madagascar, dirigée par le cabinet COEF Ressources, a interviewé un échantillon représentatif, aléatoire, et stratifié de 1200 adultes malgaches en janvier et février 2018. Un échantillon de cette taille donne des résultats avec une marge d’erreur de +/-3 points de pourcentage à un niveau de confiance de 95%. Les enquêtes précédentes ont été menées à Madagascar en 2005, 2008, 2013, 2015. COEF Ressources a fourni un appui technique pour l’enquête. Les détails techniques de l’enquête, y compris la description de la stratification et la sélection des ménages, la langue de traduction, et les renseignements connexes peuvent être trouvés dans la page suivante. Voici un aperçu des résultats de l’enquête sur toutes les questions posées aux répondants. Nous présentons également les résultats de données cruciales sur la démographie tels que le sexe et le lieu de résidence (urbain-rural). Le Round 7 d’Afrobaromètre a reçu le soutien financier de l’Agence suédoise de coopération pour le développement international (SIDA), de la Fondation Mo Ibrahim, des Fondations Open Society, de la Fondation Bill & Melinda Gates, de la Fondation William et Flora Hewlett, du Département d’Etat des États-Unis, de l’Agence américain pour le développement international (USAID) via l’Institut américain de la paix (USIP), du National Endowment for Democracy, et de Transparency International. Contacts: Pour plus d’informations, veuillez visiter www.afrobarometer.org

Fanjakana Andry Rajoelina : Miady amin’ny mpandraharaha sa ny kolikoly – La gazette de la grande île du 19 février 2019

Nitarika fomba fijery vaovao teo amin’ny fiainam-pirenena ny fisamborana an’i Eddy Maminirina mpanjakan’ny « bois des roses » na ny andramena  iny. Mbola nampiana ny fisamborana an’i Mbola Rajaonah koa andro vitsy taorian’izay. Tsy izany ihany fa ny nampidirana am-ponja an’i Hugue Ratsiferana izay voalaza fa nangalatra ny fanaka tao Ambohitsorohitra tamin’ny volana janoary 2019 iny.  Mbola nohamafisin’ny fanjakana koa ankoatr’izany ny famonjana an’i Claudine Razaimamonjy, ka raha toa ka tany Manjakandriana no notanana ity ramatoa mpandraharaha ity tao anatin’ny iray taona izay, dia naverina any fonjan’ Antanimora indray ny volana febroary 2019.

Araka loharanom-baovao azonay dia nankasitraka ny dingana nataon’ny fanjakana Andry Nirina Rajoelina ny fanjakana amerikanina sy ny vondrona iraisam-pirenena sasantsasany noho izany ezaka nataony izany.

 Maro ny Malagasy no miteny fa izay angamba vao mba hisy « gros bonnets» na mpanan-karena sy olona ambony maro any am-ponja fa tsy ny madinika sy ny fadiranovana ihany toa ny nisy hatramin’izay voatery nangalatra noho ny fahantrana no hidoboka eny Antanimora.

Na izany aza no zava-misy dia mandeha dia mandeha ny ady hevitra eny anivon’ny teknisianina malagasy sy ny tia tanindrazana ary ny tena mpanao pôlitika. Miady amin’ny mpandraharaha ve ny fanjakana Andry Nirina Rajoelina sa hiady amin’ny kolikoly? Io no fanontaniana apetrak’izy rehetra ireo amin’izao fotoana izao.

Tsara dia tsara ny nahazoana ireo « gros poissons » ireo hoy ny maro saingy tsy ampy ireo satria tsy izy ireo irery no tokony hanaovana fanadihadiana sy hampidirina am-ponja. Ireo olona ireo sy ny hafa maro izay mbola be mpiresaka amin’izao fotoana izao fa tokony ho samborina sy hanaovana fanadihadiana dia olona mpandraharaha avokoa. Manana ny fenitra arahiny izy ireo ary manana ny tanjona tiana hahatongavana ihany koa araka ny maha mpandraharaha azy. Aoka hazava ny resaka fa tsy mandehandeha irery izy ireny tamin’ireo halatra nataony ireo raha toa ka izany no itanana azy amin’izao fotoana izao fa tsy maintsy niarahany tamin’ny sokajin’olona maro. Na inona na inona fomba fijery dia resaka volam-panjakana sy ny fanodinkodinana izany no itanana ireo mpandraharaha ireo. Noho izany dia tsy maintsy misy olona ao amin’ny ministeran’ny Vola niray petsapetsa sy niray tetika tamin’izy ireo, na noterena hamoaka ny vola tao. Tsy nangalatra ny volam-panjakana izy ireo na namaky ny biraon’ny tahirim-bolam-panjakana, na koa namaky ny banky fa nomena azy ankahalalahana ny vola izay voalaza fa nangalariny sy nahodinkodiny ireo.

Iza daholo ireo olona manome fahazoan-dàlana ny famoahana ny vola ao amin’ny kitambolam-panjakana tao ? Raha tolotr’asa no asian-teny dia tsy maintsy niala tany amin’ny minisitra nahazona ny tolotr’asa izany ary mandalo amin’ny tale jeneraly sy tale maromaro vao mivoaka ho vola. Aiza avokoa ireo olona ireo ? Ny famoahana ny vola nahodinkodina ireo dia tsy maintsy nandalo sonian’olona maromaro isan’ambaratongany ao amin’ny ministera miandraikitra izany ary indrindra ny ministeran’ny Vola. Na tany amin’ny ladoany na tany amin’ny ministera hafa dia tsy azo idifiana izany fa izay no làlana na  “procédure” tsy maintsy aleha vao mivoaka vola ny antontan-taratasy.

Koa raha hiady amin’ny kolikoly marina ny fanjakana Andry Nirina Rajoelina dia tokony hadihadiana avokoa ireo olona ireo. Averinay fa mbola ireo “gros poisssons” no tratra izao fa mba aiza ny namany satria tsy mandeha irery ireo?

Tsy ny mpiasam-panjakana ambony ihany no tafiditra amin’ireo raharaha ireo sy izay mbola ho avy eo, fa tsy maintsy nisy mpiaro azy ireo ao ambony ao amin’ny fitondram-panjakana ao. Iza koa moa no tsy mahalala fa nisy baiko nidina avy any Iavoloha na avy amin’ny minisitra ny famoahana vola na ny entana any amin’ny ladoany? Ireo ilay mpanome baiko izay tsy voasoaratra ka tokony hanaovan’ny fitsarana fanadihadiana koa.

Izany no antony anontanianay hoe hiady amin’ny mpandraharaha ve ny fanjakana ankehitriny sa hiady amin’ny kolikoly? Raha tena hiady amin’ny kolikoly izy dia hohazany avy ireo “gros bonnets” sy ireo “gros poissons” ireo ary ny tambazotra miaraka aminy na “gros” na “Petits” koa aza. Raha tsy izay no ataony dia fanapotehana ny mpandraharaha Malagasy ihany izao fihetsiketsehana misy izao satria tsy mipaka hatrany amin’ny fakany.

Jesy Rabelaolao

Arrestation de Maminirina Eddy -Acte premier – LA gazette de la grande île du 19 février 2019

Il convient de féliciter les autorités judiciaires et les agents de l’Unité d’Intervention Rapide pour l’arrestation, la semaine dernière, de Maminirina Jean Eddy, un des barons du bois de rose. Les commentateurs qui se focalisent sur le caractère spectaculaire des conditions de l’arrestation de cet opérateur économique controversé à Ivandry font fausse route. Ceux qui sont convaincus que cette arrestation revêt un caractère politique se trompent également, car l’individu a fait l’objet d’un mandat d’arrêt bien avant qu’Andry Rajoelina ne soit élu Président de la République. Maminirina Jean Eddy est quasi inconnu du grand public, mais sa réputation le précède dans le microcosme politique et le monde économique. Il est véritablement un gros trafiquant pourri du bois de rose. Sa notoriété ne date pas d’hier. Maminirina Jean Eddy est un ancien, voire un vétéran du secteur dans lequel il évolue depuis des décennies. Pour redorer son blason, il a fondé l’association caritative MAMI (Malagasy Mifanampy), mais personne n’est dupe de cette façade aussi grotesque que le personnage. L’arrestation coup de poing de Maminirina Jean Eddy ne favorisera certainement pas la régénération des bois précieux, mais elle constitue l’acte premier du démantèlement d’un réseau mafieux qui dérobe nos richesses forestières. L’acte second comprendra l’identification et l’interpellation des complices de Maminirina Jean Eddy : coupeurs de bois, capitaines de navire, responsables de ministères, policiers, gendarmes, vigiles, magistrats et clients étrangers. Ces derniers devront être traqués jusqu’en en Chine, en Thaïlande, à Dubaï et aux Etats-Unis. Il faut que tout ce beau monde tombe avec Maminirina Jean Eddy. Il faut casser tous les maillons de la chaîne, sinon un autre Maminirina Jean Eddy surgira. Il est absolument nécessaire de stopper le pillage des ressources forestières, qui détruit l’environnement et n’enrichit que les braconniers.

Phil de Fer