9 C
Londres
jeudi, janvier 15, 2026
AccueilDysfonctionnement de l'appareil judiciaire malgacheRaharaha kidnapping sy mpiasan'ny fananan-tany - Mifanenjana ny ministra sy ireo...

Raharaha kidnapping sy mpiasan’ny fananan-tany – Mifanenjana ny ministra sy ireo mpitsara naato – Taratra du 3 avril 2019

Date:

Related stories

spot_imgspot_img

Hentitra ny  valin-kafatry ny minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques, manoloana ny  fampitandreman’ireo mpiasan’ny  fananan-tany sy ny momba ireo mpitsara miisa efatra naato amin’ny asany any amin’ny fitsarana any Toamasina. Hihenjana ny raharaha eo amin’ny telo tonta.

 

Tsy maintsy ampiharina  ny lalàna  ary tsy anavahana na  iza na iza”,  hoy ny minisitra,  omaly teny Faravohitra. Notsiahiviny tamin’izany fa efa nampitandrina ny tenany sy ny praiminisitra tany Toamasina, ny herinandro  lasa  teo fa tsy azo avoaka ny fonja ilay tompon’antoka amin’ny fakana an-keriny. Tiany  ambara amin’izany  i Manantena Haja Nirina Dina, kandidà  depiote any Ifanadiana. “Mbola  navoaka ihany izy io nefa anisan’ny atidohan’ny kidnapping. Mety misy ambadika kolikoly izany  ka afaka mampiato azy amin’ny asany ny minisitera. Tsy niseho intsony ny fakana an-keriny hatramin’ny nihazonana am-ponja azy”, hoy izy.

 

Nampiakatra ny raharaha amin’ny filankevi-panjakana

 

Nohitsiny fa zon’izy ireo ny  manohitra. Na ireo mpitsara miisa efatra ao Toamasina naato amin’ny asany ary, nampiakatra ny momba azy ireo eny anivon’ny filankevi-panjakana na ireo mpiasan’ny fananan-tany mikasa ny hiroso amin’ny fitokonana manoloana ny nampidirana am-ponja vonjimaika  (MD) ireo mpiara-miasa amin’izy ireo. “Tsy hampihemotra antsika izany fa ho an’ny rehetra ny lalàna.  Nahoana ny Villa Elisabeth sy ny zaridaina Antaninarenina no namidy nefa fananam-pirenena ? Sarotiny amin’ny tanintsika robaina isika ary misy ny lalàna. Zon’izy ireo ny mitokona, saingy ny lalàna mihatra hatrany”, hoy ihany ny minisitra.

 

Hohafainganina ny fitsarana ireo voafonja…

 

Ankoatra izany, nambaran’ny minisitry ny Fitsarana fa hiezaka ny hanafainganana ny fitsarana ireo voafonja ny eo anivon’ny minisitera. Niaiky ny tenany fa efa nisy ny fitsarana nandeha nefa maro koa ireo mpanao heloka vaovao. “Misy telo mivoaka voatsara ohatra nefa 10 be izao  indray ny miditra ka marobe ireo tsy mbola voatsara. Efa miezaka ny hampihena izany ny fitsarana”, hoy  ihany izy. Etsy andaniny, efa hirosoana koa ny fanatsarana sy fanitarana  ny fonja, saingy  tsy vita indray mandeha izany.  Noraisiny ho ohatra ny hanorenana fotodrafitrasa any  Arivonimamo hamindrana ireo voafonja sasany etsy Antanimora.

Tsiahivina fa nentina am-bavaka  tetsy amin’ny Ekar Faravohitra, omaly ny  faha-60 taon’ny fandraharahana ny fonja eto amintsika.

Synèse R.

Subscribe

- Never miss a story with notifications

- Gain full access to our premium content

- Browse free from up to 5 devices at once

Latest stories

spot_img